ny Amerikana sy Rosiana…
Tsapa fa samy te hanamafy ny fifandraisany amin’i Madagasikara ny firenena matanjaka 2 dia i Etazonia sy Rosia, izay samy matanjaka ara-tafika sy ara—toekarena ary manana anjara toerana govana amin’ny jeopolitika iraisam-pirenena . Fantatr’izy iroe tsara fa manana anjara toerana tena saropady aty amin’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara, firenena sahirana ara-toekarena kanefa tena manankarem-be amin’ny harena an-kibon’ny tany ; mbola manana tany mamokatra tsara, firenena tsy mijaly rano satria ampy tsara ny rotsak’orana, tsy lazaina intsony ireo harena an-dranomasina sy an-dranomamy ananany. SEHATR’ASA MARO Teto Madagasikara ny 3 sy 4 novambra ny Jeneraly John Brennan, Komandy lefitry ny Komandin’ny fibaikoana ny Tafika Amerikana aty Afrika (US AFRICOM), miaraka amin’i Peter Vrooman, lefitra misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sivily sy ny miaramila (DCME) eo anivon’ny AFRICOM, mba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fiarovana an-dranomasina sy ny fampandrosoa ara-toekarena. Nihaona tamin’ny filohan’ny fanavaozana sy ireo lehibe mpitantana eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny tafika malagasy izy ireo. Ny 28 sy 29 oktobra lasa teo izany hoe herinandro mialohan’izao fihaonany amin’ny amerikana izao dia anisan’ireo filoham-panjakana voaasa manokana hanatrika ny fihaonanana an-tampony eo amin’ny afrika sy Roisia tany Moscou ny filohan’ny fanavaozana.Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy Rosia tany an-toerana ka tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fiarovana, fambolena, fitsaboana.Anisan’ny voaresaka ihany koa ny fanovanana ara-teknika sy arak’asa saingy mbola misy kipitsopitsony mila alamaina mo aizy ity. Ny filoha Vladimir Poutine dia efa nanambara fa afaka manana anjara toerana stratejika aty amin’ny ranomasimbe Indiana sy ny faritra atsinanan’i Afrika i Madagasikara. Ny Amerikana farany teo dia io nilaza io fa zava-dehibe ny fametrahana fandriampahalemana eny an-dranomasina toy ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalana sy ny jiolahin-tsambo. Hisy arak’izany ny fiaraha-miasa bebe kokoa amn’ny fizaram-baovao sy ny fanaovana sarin’ady.
RTT