airtel

Actualités

04-nov-2026

Famonoana

an’i Raissa

Sample post image

Gadra mandra-pahafaty ho

04-nov-2026

an’ny renibeny,10 taona ho an’ny « cousin »-ny
Tontosa omaly 03 novambra 2026 tao amin’ny Fitsarana ady heloka bevava Anosy ny fitsarana momba ny raharaha famonoana an’Andrianirina Tsirava Amboara Raissa na Raissa, zazavavikely 8 taona, hita faty tao Antohomadinika tamin’ny volana mey 2025. Namoaka ny didim-pitsarany ny Fitsarana ka nanameloka ny reniben’ilay zaza higadra mandra-pahafaty miaraka amin’ny asa an-terivozona. Voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina kosa ny zanak’olo-mpiray tam-po amin’i Raissa (cousin). Ireo olona dimy hafa voarohirohy tamin’ity raharaha ity indray kosa afaka noho ny fisalasalana. Tsiahivina fa ny 10 mey 2025 no nanjavona i Raissa, ary ny ampitson’io, izany hoe ny 11 mey, no hita ny vatana mangatsiakany tao anaty gony, teo amin’ny toerana tsy lavitra ny tranon’izy ireo. Nampitombo ny ahiahy sy ny fikorontanana tamin’izany ny fisian’ny taratasy fandrahonana hita, izay nahitana izao hafatra izao: « Vita izay ny valifaty fa mbola misy roa vonoinay ». Anisan’ireo olona nosamborina sy naiditra am-ponja nandritra ny famotorana ny reniben’ilay zaza, ny zanak’olo-mpiray tam-po aminy ary zazalahy iray hafa, izay tafiditra tao anatin’ny raharaha. Nifarana omaly araka izany ny dingana fitsarana momba ity raharaha namoizana ny ain’ilay zazavavikely ity, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana ny didy momba ireo voarohirohy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-nov-2026

Mbola niandrasana vola tamin’ny governemanta…

Card image cap
04-nov-2026

amin'ny lakandranon'i Pangalanes

Card image cap
03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap