airtel

Actualités

04-nov-2026

Fanadihadiana

parlemantera ny Jirama

Sample post image

Mbola niandrasana vola tamin’ny governemanta…

04-nov-2026

Hiroso amin’ny dingana manaraka amin’ny fanadihadiana momba ny fitantanana ny orinasa JIRAMA ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ny Antenimierampirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fidinana ifotony eny amin’ireo toerana famokarana sy famatsiana herinaratra manerana an’i Madagasikara, mba hahafahana manamarina sy mameno ireo angom-baovao efa voaangona. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera, Rakotoniaina Pety, dia efa nisy ny fihainoana sy fihaonana tamin’ireo sokajin’olona sy orinasa samihafa nandritra ny fotoana tsy dia nahenoana firy ny momba ny asan’izy ireo. Nambara fa natao izany mba hanangonana sy hampitahana ny vaovao ary hanomanana mialoha ny fitsirihana eny an-kianja. Nisy ihany koa ny fiandrasana ny famoahana ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta, izay nivoaka tamin’ity herinandro ity ka hahafahana manatanteraka ny fidinana ifotony. Tanjona ny hamita ny asa fanadihadiana alohan’ny faran’ny taona. Rehefa vita izany dia havoakan’ny vaomiera ny tatitra mirakitra ny vokatry ny fanadihadiana, ary hampahafantarina ampahibemaso ny vahoaka malagasy ny zavatra voarakitra ao anatiny, hoy hatrany io Vaomiera io. Nohazavain’i Rakotoniaina Pety ihany koa fa tsy tokony hafangaro amin’ny andraikitry ny mpitantana ny JIRAMA ny asan’ny vaomiera. Tsy manana fahefana hitantana ny orinasa na handray fanapahan-kevitra momba ny fampandehanan-draharahany ity rafitra mpanadihady ity. Tsy tompon’andraikitra mivantana amin’ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano iainan’ny mpanjifa ihany koa izy ireo. Ny andraikitra sahanin’ny vaomiera kosa dia ny mamantatra ny tena fototry ny olana, mandinika ireo mety ho tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ary manadihady ny fatiantoka mianjady amin’ity orinasam-panjakana ity. Rehefa voafaritra ireo olana fototra dia hanolotra soso-kevitra sy toro-marika ho an’ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka ny vaomiera, hoenti-mamolavola fomba fitantanana vaovao sy mahomby kokoa. Araka izany, ny vokatra andrasana amin’ity fanadihadiana ity dia tsy mijanona amin’ny famaritana ireo olana misy eo anivon’ny JIRAMA, fa tokony hahafahana mametraka ihany koa ny lalana tokony hizorana amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fampandehanana ny orinasa, ho tombontsoan’ny firenena sy ny mpanjifa. Tena ho tonga amin’izany ve ? Am-bolana maro tsy tena mbola hita izay vokatry ny fanadihadiana ambaran’ireto vaomiera ireto, natao hisolo vava vahoaka saingy tsy afaka miasa feno fa mila tetibola manokana hatrany rehefa misy asam-baomiera atao,… Matetika voaresaka ny hoe : handaniana volam-panjakana an’arivony miliara Ariary isan-taona ny Jirama, voatery mivarotra fatiantoka,… 15 hatramin’ny 35% amin’ny Malagasy anefa no misitraka herinaratra hatreto. Tsy ny Jirama ihany no toy izany, eny fa na ny antenimierampirenena izay misy ireo depiote manao fanadihadiana ihany koa aza handaniana an’arivony miliara isan-taona fa moa arakaraka izany ny tamberiny ho an’ny vahoaka ? Nahoana tokoa moa raha tena misy fitiavan-tanindrazana rfaha mba ahena ireo tombotsoa mihoampampana mba haompana any amin’ny famahana olam-bahoaka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

04-nov-2026

Gadra mandra-pahafaty ho

Card image cap
04-nov-2026

amin'ny lakandranon'i Pangalanes

Card image cap
03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap