airtel

Actualités

03-nov-2026

Diplaomasia,

fambolena, VISA,...

Sample post image

Hanamafy ny fiaraha-miasa

03-nov-2026

i Madagasikara sy Etazonia
Nihaona tamin'ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michaël RANDRIANIRINA teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasionina amerikanina monina eto Madagasikara, tarihin'i Tom BEVAN, mpiandraikitra-draharaha vonjimaikan’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara sy eo anivon’ny Vondron’ny Nosy Kaomôro, omaly 02 novambra 2026. Araka ny tatitry ny Fiadidian'ny Repoblika, nodinihina ny fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ary ny fomba hanohizana sy hanamafisana izany. Tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny fifanakalozana ara-diplomatika eo amin’ny firenena roa tonta izao fihaonana izao, taorian’ny dian’ny Filohan’ny Fanavaozana tany Etazonia, ny volana septambra 2026, tao anatin'ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-81. Fotoana nihaonana ihany koa tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny ONU, Antonio GUTERRES, sy ny Filohan’ny Tahiry Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Tontolo Ambanivohitra (FIDA), Dr Lario ALVARIO, ihany koa izy. Anisan’ny lohahevitra lehibe nifampidinihana teny Iavoloha ny fangatahan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hanamorana ny fahazoan’ny olom-pirenena Malagasy VISA mankany Etazonia. Notsindriana ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny fambolena, indrindra ny fampiroboroboana izany. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika sy ny fampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, araka izany, ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Tsiahivina ihany koa moa andaniny fa misy raharaha hidiran'i Etazonia an-tsehatra eto dia ny mikasika ireo mpanao heloka an'habaka sy fisolokiana goavana ara-bola amin'ny alalan'ny cryptomonnaie, izay misy teratany Amerikanina manodidina ny 800 lasibatra. Misy olona teratany vahiny miisa 6 namoahan'i Etazonia didy fampikarahona Iraisam-pirenena. Ankoatra io, isan'ny mahakasika azy ireo ihany koa ny raharaha boeing 777 nalefa tany Iran tamin'ny andron'ny Fitondrana Rajoelina,... Heverina fa hisy ny fiaraha-miasan’i Etazonia amin’ny Fanjakana Malagasy manoloana ireny raharaha ireny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Natsahatra ny fitrandrahana

Card image cap
02-nov-2026

Nalaza be tamin’iny volana Oktobra

Card image cap
02-nov-2026

Sokafana ireo lakandrano tsentsina

Card image cap