airtel

Actualités

03-nov-2026

TSARAHONENANA

BEFANDRIANA

Sample post image

Natsahatra ny fitrandrahana

03-nov-2026

Kraoma tsy ara-dalàna
Natsahatry ny Ministra mpiahy ny Faritra Sofia ilay fitrandrahana kraoma tsy ara-dalana ao Tsarahonenana, distrikan’i Befandriana Avaratra. Araka ny loharanom-baovao dia efa an-jatony ireo kamiao mivezivezy mitatitra kraoma avy ao amin’ny kaominina Tsarahonenana Befandriana Avaratra mandeha any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, Vohemar, Mahajanga... izay tsy misy taratasy ara-dalàna mifanaraka amin’izany fitrandrahana izany avokoa. Araka ny fanazavana azo anefa dia tena mamotika ny tontolo iainana io fitrandrahana tsy ara-dalàna io no sady manimba ny asa fihariana ihany koa. Lasibatr’izany ireo tanimbary manodidina ny toerana fitrandrahana ka mampitaraina fatratra ireo mponina eny ifotony. Mbola nahitana ireo fiara vaventy ireo manohy ny fitaomana izany kraoma izany moa ny dian’ny Ministra mpiahy ity faritra ity tany an-toerana no sady mbola manohy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Nanome baiko ny OMC izay tarihin’ny Lehiben’ny Distrika sy tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ifotony mba hampitsahatra izany araka izany ny tenany. Mangataka ny Fitondrana fanavaozana mba tsy hitsitsy ireo manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena tahaka izao ny mpanara-baovao hahafahana tena mamongotra ireo mpanao ratsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nalana tahaka izao avokoa ireo fitaovana nampiasaina !
 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap
02-nov-2026

Nalaza be tamin’iny volana Oktobra

Card image cap
02-nov-2026

Sokafana ireo lakandrano tsentsina

Card image cap