airtel

Actualités

03-nov-2026

RAISSA RAZAIVOLA

Tazonina eny Fiadanana

Sample post image

efa 18 andro

03-nov-2026

Efa 18 andro izao no nitazonana an’i Raissa Razaivola ao amin’ny Sampana Fikarohana Heloka Bevava (SFC) an’ny Zandarimariam-pirenena eny Fiadanana. Nanomboka ny 15 oktobra 2026 izany fitazonana izany ary mbola mitohy hatramin’ny 2 novambra 2026, araka ny fanazavan’ny mpisolovava azy Rakotomalala Navalona, niparitaka tamin’ny haino aman-jery. Raharaha fanaparitahana vaovao fa tsy marina sy fanalam-baraka olona ambony tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera no voalaza fa anton’ny fanadihadiana azy. Olona roa no voalaza fa voakasik’ity raharaha ity, saingy any ivelan’ny firenena kosa ny iray amin’izy ireo. Milaza ny mpisolovava fa tsy mitombina ny fiampangana an’i Raissa Razaivola, satria efa nigadra sy nahavita ny sazy nampiharina taminy izy nandritra ny fotoana voalaza fa nitrangan’ny raharaha. Mangataka ny hamerenana azy eny amin’ny fonjan’Avaradrano araka izany ny mpisolovava, izay mitsipaka ny fitohizan’ny fitazonana azy eny Fiadanana izay 24 ora na 48ora, fa tsy 15 andro, hoy ny mpiaro azy. Tsiahivina, fa anisan’ny raharaha lehibe efa nentina teny amin’ny fitsarana momba an’i Raissa Razaivola ny fiampangana azy ho nikasa hamono olona. Tamin’ny volana mey 2023 no nanamelohan’ny fitsarana azy higadra 7 taona asa an-terivozona (travaux forcés) noho io raharaha io. Nisy ihany koa ny raharaha hafa nifandraika tamin’ny resaka kolikoly sy fanalam-baraka. Tamin’ny taona 2023, nametraka fitoriana azy teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy teny anivon’ny BIANCO ny lehiben’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana sy mpitsara iray, taorian’ny fanambarana nataony momba azy ireo. Ny 27 oktobra 2026, nahazo sazy dimy taona an-tranomaizina sy lamandy 10 800 000 ariary indray i Raissa Razaivola, tao anatin’ny raharaha hafa mikasika tany,… Tsiahivina fa isan’ireo tafavoaka taorian’ny fiovam-pitondrana herintaona lasa i Raissa Razaivola, saingy naverina am-ponja taty aoriana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap
03-nov-2026

Natsahatra ny fitrandrahana

Card image cap
02-nov-2026

Nalaza be tamin’iny volana Oktobra

Card image cap
02-nov-2026

Sokafana ireo lakandrano tsentsina

Card image cap