airtel

Actualités

03-nov-2026

160 taona

nisian’ny gazety malagasy

Sample post image

Hidinika ny hoavy ny

03-nov-2026

solontenan’ny faritra miisa 24
Ny 10 hatramin’ny 14 novambra izao no hankalazàna ny ivon’ny faha 160 taona nisian’ny gazety malagasy na Gama 160. Fotoan-dehibe hanomezana hasina ny fanaovan-gazety sy mpanao gazety malagasy io, hoy ny fanazavàna. Ny 17 jolay, raha tsiahivina, no nanokàfana ofisialy ny taom-pankalazàna. Hetsika maro no ho hita ao anatin’izany. Hisy ny fampirantiana ataon’ireo fikambanana sy ny eo anivon’ny minisitera etsy amin’ny tokontany malalaky ny ORTM Anosy amin’ireo fotoana voalaza rehetra teo ireo. Hisy koa ny fifampizaràna traikefa omen’ireo mpanao gazety efa misehatra anaty fiofanana ao anatin’izany. Ny 11 sy 12 novambra indray io etsy amin’ny efitranon’ny ORTM. Ny lalàna mikasika ny fanaovan-gazety mihitsy eto no hifampizaràna mba hahafahany manatanteraka ny adidiny anaty fanarahan-dalàna. Ny 13 novambra no tena hanamarika koa an’izay ivon’ny fankalazàna izay satria hoavy eto Antananarivo daholo ny solontenan’ny mpanao gazety amin’ny faritra miisa 24 manerana an’i Madagasikara hiara-hidinika sy hevitra ny hoavin’ny fanaovan-gazety ao anatin’izao 160 taona izao. Ny fehinkevitr’izany no omena ny manam-pahefàna sy atao adisisika koa avy eo ny amin’izay heverina ho fanatsaràna ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Efa ezaka atao ankehitriny ny fametrahana ny firaisankinan’ny mpanao gazety rehetra, izany hoe, ny fironan’ny orinasa na «ligne éditoriale» dia tsy natao hampizarazara fa mp anao gazety mihevitra ny raharaha hanatsaràna ny tontolon’ny fanaovan-gazety aloha fa ny any amin’ny orinasa kosa dia fivelomana. Izay no maha mpanao gazety matihanina, hoy hatrany ny fampitàm-baovao tetsy amin’ny biraon’ny Olafitry ny mpanao gazety malagasy etsy Ambohidahy omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap
03-nov-2026

Natsahatra ny fitrandrahana

Card image cap
02-nov-2026

Nalaza be tamin’iny volana Oktobra

Card image cap
02-nov-2026

Sokafana ireo lakandrano tsentsina

Card image cap