airtel

Actualités

04-nov-2026

Fandripahana ala

Hazo 278 tratra tany

Sample post image

amin'ny lakandranon'i Pangalanes

04-nov-2026

Hazo ala miisa 278 no sarona teo am-pitaterana an-tsokosoko tao amin’ny lakandranon’i Pangalanes, tao Tapakala, kaominina Amboditandroho, distrikan’i Toamasina II, ny 28 oktobra 2026. Ny zandary mpanara-maso ny lakandranon’i Pangalanes no nahatratra ireo hazo ireo nandritra ny fisavana nataony tamin’ny 02 ora maraina. Lakana zahatra iray no nampiasaina nitaterana ireo hazo, saingy tsy nahitana taratasy ara-dalàna momba izany. Niezaka nanafina ny entana ireo mpitatitra, ka nofatorana tao ambanin’ny zahatra ireo hazo mba tsy ho mora hitan’ny mpanara-maso. Mizara ho sokajy maromaro ireo hazo tratra, ka ahitana bois rond miisa 108, madrier mirefy 4 metatra miisa 46, madrier mirefy 2 metatra miisa 60, bois carré mirefy 4 metatra miisa 52 ary plateau mirefy 2 metatra miisa 12. Mitotaly 278 izany. Araka ny tatitra, dia nokasaina halefa any Toamasina ireo hazo ireo. Lehilahy roa no voatazona rehefa tratra teo am-pitaterana azy ireo. Nogiazana avokoa ny hazo tsy ara-dalàna, ary nampandrenesina ny tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana ao amin’ny faritra Atsinanana. Midika fa mandeha ny fandripahana ala tsy misy hatra ary efa tena manify ny ala Atsinanana fahiny izay nisian'ny fomba fiteny hoe: "na ho ritra aza ny ala Atsinanana", saingy efa tena ritra sy ho ritra, raha izao zava-misy izao. Nambara moa fa mbola mitohy sy hamafisina ny fanaraha-maso ny lakandranon’i Pangalanes. Tanjona amin’izany ny hisorohana ny fandikan-dalàna sy ny trafika isan-karazany izay mety hiseho eny amin’ity lakandrano ity, indrindra ny fitaterana hazo ala tsy ara-dalàna.
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-nov-2026

Mbola niandrasana vola tamin’ny governemanta…

Card image cap
04-nov-2026

Gadra mandra-pahafaty ho

Card image cap
03-nov-2026

efa 18 andro

Card image cap
03-nov-2026

Hidinika ny hoavy ny

Card image cap
03-nov-2026

Hatolotry ny Maorisianina

Card image cap
03-nov-2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

Card image cap