Raha araka ny fanazavam-badiny dia nisy olona mody nanipy tavoahangy toy ny feno vovo-bolamena mavomavo mangirana nanoloana azy. Rehefa niondrika nandray azy io ilay vehivavy dia mody nilaza ho nahita izany ihany koa ilay mpisoloky nanipy azy avy any aoriana ka nandresy lahatra itsy voalohany mba hifanaraka aminy. Samy nahita isika mirahavavy hoy ilay mpisoloky ka andao hatao ny fandaminana. Rehefa niresaka izy ireo dia toy ny tsy nahatsiaro tena intsony ilay Ramatoa voasoloky izay nomarihim-badiny fa naharitra ora 6 teo noho eo. Nalain’ilay vehivavy mpisoloky io avokoa nandritra izany ny vola 5 hetsy Ar tany amin’ity Renim-pianakaviana ity ambin’ny niantsenany ho an’ny fetin’ny Paska niampy ny entana rehetra feno harona saika hanaovana fety. Mbola tongan’ilay Ramatoa voasoloky tany an-tokantranony moa ilay vovo-bolamena sandoka io raha araka ny fanazavam-badiny hatrany ary mbola ambetiteniny ny hoe : hanan-karena amin’izay isika nefa fa misaotra an’Andriamanitra nefa vovo-bolamena sandoka. Ilay mpisoloky kosa nanjavona tsy hita. Mbola hafahafaha hatrany moa io Renim-pianakaviana io tonga tao an-tokantrano ka ora maromaro mihitsy vao tonga saina tamin’ny nanjo azy hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Tavoahangy nisy zavatra mavomavo tahaka izao no namitahan’ilay mpisoloky ilay Ramatoa niantsena
Anisan’ny tena manahirana ny tokantrano maro amin’ny ankapobeny ireo entana ilaina amin’ny fiainana
Nisolo tena an’i Madagasikara tany amin’ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ara-indostria