airtel

Actualités

24-août-2023

Fitsidihana ny rovan’i Madagasikara

Natomboka ny fampiasana tapakila elektronika

Sample post image

Roa volana taorian'ny fisokafany dia tafiditra tanteraka ho isan'ny toerana sy vakoka ankafizin'ny mpitsidika sy mpizahatany eto Antananarivo sy ny manodidina ny Rovan'i Madagasikara,

24-août-2023

hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina omaly. Natomboka omaly alarobia 23 aogositra ny fampiasana ny tapakila elektronika manaraka ny vanim-potoanan’ny fivoarana. Fiaraha-miasan’ity minisitera ity sy ny orinasa MANOOVA no nahafahana nametraka ny milina elektronika mba hanamora ny fandraisana ny mpitsidika. Nazavain’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa araka ny toromariky ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, no nametrahana an'io milina ara-kajy mirindra io ary manomboka izao dia azo jifaina amin’ny tranonkala www.ticketplace.io ny tapakila ho an’ny mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara. Vao miditra amin’io tranonkala io dia hita avy hatrany ny torolàlana ahafahana misafidy ny tapakila ilaina na ho an’ny ankizy izany na olon-dehibe na vondron’olona na teratany na vahiny. Ankoatra ny fitsidihana io tranokala io dia mitohy ihany koa ny fivarotana ny tapakila eny an-toerana amin’ny alalan’io E-TICKET io ihany. Manodidina ny 1000 isa isan'andro ary mananika ny 2000 ny faran'ny herinandro ny olona mitsidika ny rova tato anatin’izao fialantsasatra izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap