resaka ny fepetra noraisina momba ny tontolon’ny lavanila, fa tokony hanaja ny teny nomeny ny mpandraharaha. Nambarany mantsy fa tsy mividy ny lavanila voaomana ny mpandraharaha izay 88 no nahazo fahazoan-dàlana na “agrément”. Misy ihany no mividy fa kely ny voavidian’izy ireo hatreto. Na nanaiky aza ireo mpividy iraisam-pirenena nandritra fandresen-dahatra natao tany dia misy ny nihemotra tamin’ny vidiny 250 dolara/kg, hoy ny minisitra, ka nilazany fa nisy ny resaka mivantana nataony tamin’ireo ambasadaoro maromaro fa tokony hofantarina ny antony mampisalasala ny mpifidy iraisam-pirenena. Mahagaga ihany mantsy, hoy izy, raha ny Amerikanina na ny Eoropeanina no tsy mampita amin’ny mpandraharahany ny fanavaozana na “reforme” momba ny lavanila Malagasy. Nanipika anefa io Minisitra io, fa tsy maintsy atao ny fanadioavana sy fanavaozana: miainga any amin’ny fiarovana ny tantsaha mpamboly, miaro ny mpandraharaha madio, miaro ny vola vahiny tokony hiditra amintsika ary indrindra miaro ny fiandrianam-pirenena satria vokatra stratejika ny lavanila. Vokany nanamafy, fa tokony hanaja ny teny nomena ny mpandraharaha. Tokony hovidiana ny lavanila eto an-toerana satria efa mifandresy lahatra indray amin’ireo mpividy iraisam-pirenena ny fanjakana amin’izao fotoana. Noho izany, tapaka tamin’ny dinika niarahana tamin’ny Filoham-pirenena, fa nomena fotoana hatramin’ny afak’omaly 13 Febroary noho izany ireo mpandraharaha hanome ny lanjan' ny lavanila ho vidiany avy amin'ny fahazoan-dàlana nomena azy. Vita izay dia nomena 15 andro nanomboka omaly izy ireo hividy ny lavanila mifanaraka amin’ny « agrément » azony. “Raha misy moa tsy fahatomombanana dia omen’ny Fanjakana alalana ireo mpanondrana hafa hividy ny lavanila. Ireo nanao « nouvelle demande » kanefa nampiandrasina no omena fahazoan-dàlana hanondrana ireo lavanila tavela eny amin’ny tsena”, hoy ny Minisitra misahana ny Varotra. Ho fandrisihana, nomena alalana ireo mpandraharaha hanondrana lavanila sokajy “cuts”” amin'ny vidiny 140 dolara, ka raha manondrana 50 taonina, ohatra, dia azo atao “cuts” ny 10%. Nomarihana fa sokajy ahitana 1 hatramin'ny 1,2% ny tahan'ny “extraction de taux de vanilline” io. Hisy ny fananganana “task force” hanara-maso ny seha-panondranana lavanila. Toky R
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.