airtel

Actualités

07-juil-2025

FONENAN'NY MANAM-BONINAHITRA ENY IVATO

Tovolahy iray maty nitsoraka avy eny amin'ny rihina fahatelo ?

Sample post image

Tovolahy iray no voalaza fa nitsoraka avy any amin'ny rihina fahatelo ka maty tsy tsa-drano

07-juil-2025

teny amin'ny Cité-n'ny manam-boninahitra eny Ivato afak'omaly Sabotsy 05 Jolay tokony tamin'ny 06 ora hariva. Raha araka ny vaovao azo dia nisy andian-jatovo niara-nifetifety tao amin'io rihina fahatelo io, tao amin'ny varavarana fahatelo. Manodidina ny 10 teo izy ireo no niara- nanala azy nanomboka tamin'ny 10 ora maraina hoy ny vaovao. Tsy hay anefa izay zava-nitranga tao hoy ny vaovao fa raikitra ny fifanjevoana ka nitsambikina avy eny an-davarangana ilay tovolahy. Fantatra moa fa efa tsy misy mipetraka intsony io trano io efa ho 1 taona mahery izao saingy mbola misy mitazona hoy hatrany ny vaovao azo.Tombanana ho mety ho vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina moa no nanosika ity tovolahy ity hamono tena tahaka izao.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny haavon'ilay trano nianjeran'ilay tovolahy ! 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap