bisokoy ho an’ny traboina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 20 febroary 2025 teny amin’ny Kaominina Anosizato. Mbola niampy pimaso tamin’ny alalan’ny fizarana vola 100 000 ho an’ireo fianankaviana traboina. « Maro no mbola miato amin’ny asa, tsy afaka miasa satria miakatra ny rano, mbola misy valopy misy 100 000Ar hpomena anareo tsirairay avy. Ao anatin’ny fotoana sarotra no tena ahitana ny Raiamandreny », hoy i Andry Rajoelina nilaza fa tena mijery ny vahoaka. Adidin’ny mpitondra nomen’ny vahoaka fahefana ny manampy ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao, hoy hatrany i Andry Rajoelina nilaza fa rehefa nomena fahefana ianao, rehefa nomena andraikitra ianao dia hasoavy ny vahoaka tokony hasoavina. Tena manasoa vahoaka tokoa ve ny Fanjakana sa milalao vahoaka ao anatin’ny fahantrany ? Zary efa lasa fahita isan-taona ny tahaka izao ny fitsidihana sy tosika traboina izay ekena fa tena mila fanampiana ireny vahoaka ireny amin’ny lafiny iray, kanefa lasa miendrika fampalazana tena ho an’ny mpitondra, tsy misy tena vahaolana maharitra, fa zary lasa fomba fiasa ara-politika ny fitetezana traboina sy fizarana zavatra. Manana olana avokoa ny Malagasy : vidim-piainana midangana, tsy fananan’asa, ny traboina tahaka izao rehefa fahavaratra,… fa moa tena vitan’ny Fanjakana ve ny hanao tahaka izao ho an’ny 80% amin’ny Malagasy izay mahantra fadiranovana sa holalaovina foana amin’ny fizarazarana zavatra amin’ny ampahana olom-bitsy mba ilazana fa miasa tsy mitsinjo vahoaka ny Fanjakana ? Ny kizarazara zavatra sy vola lany ao anatin’ny andro vitsy ve no vahaolana sa ny fiezahana hametraka vahaolana sy politika ara-toakerana sy ara-tsosialy mahomby mba hahafahan’ny vahoaka miasa sy miatrika fahasahiranana ? Ankoatra izay, nanome toromarika hentitra manoloana ny fananganana tsy ara-dalàna sy fanotorana tany i Andry Rajoelina izay nilaza fa isan-taona miatrika fiakaran’ny rano, ka nanomezana baiko ny APIPA, Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ben’ny tanànan’Antananarivo ho hentitra. Nambara fa mila jerena ny fanorenana tsy ara-dalàna sy ny fanotorana tany tsy ara-dalàna, izay manakana ny fikorinan’ny rano. Matoa mandeha ny fanotorana sy ny fanorenana tsy ara-dalàna dia misy tompon’andraikitra ara-panjakana mitsikombakomba ka moa mba tena iharan’ny lalàna ve ireny ?
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady