airtel

Actualités

08-janv-2025

Harem-pirenena

Izay tsy ripaky ny trafika levon’ny afo !

Sample post image

Mihazakazaka ny fahapotehana ara-tontolo iainana eto amintsika, ka izay tsy ripaky ny trafika

08-janv-2025

toy ny mahazo ireo gidro sy sokatra ary ny hazo sy zava-manan’aina samihafa, dia ripaky ny doro ala sy doro tanety. Ranolava ny fahatrarana trafikana, ka raha ny sokatra izao dia tsy latsaky ny 3 ny tranga tao anatin’ny iray volana. Sokatra 17 tratra tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Kuala Lumpur Malaisie ny 26 desambra 2024 tamin’ny 10 ora sy sasany alina, nentina tamin’ny Ethiopian Airlines, nolazaina fa zava-maniry, araka ny tatitry ny tranokalam-baovao Malezianina New Straits Times. Midika fa ampahany ihany amin’ny trafika ireny tratra teny Antehiroka nampidoboka am-ponja ny depioten’i Soavinandriana ireny, fa ampahany ihany, ary efa misy tambajotra matanjaka. Vao tsy ela ihany koa ilay fahatrarana teratany Tanzanianina niaraka tamina sokatra marobe. An’arivony mahery ny tao anatin’ny iray volana fotsiny. Tahaka izany ihany koa ny fandripahana hazo sy ala, toy ilay tratra tany Ivoloina vao tapa-bolana eo ho eo izay. Ny zava-doza dia misy manam-pahefana sy olona ambony hatrany matetika no ao ambadika. Zandary Lietnà Kolonely sy zandary roalahy miasa ao Toamasina ary olona 10 hafa no naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka trafikana hazo. Tsy nisy taratarasy fazahoan-dalana hitatitra hazo sarobidy mazava tany amin’ireo kamio 3 nahatrarana palissandres avy any Foulpointe hiazo an’i Toamasina izay narahina zandary roa lahy. Voamboana izay voalaza fa nalaina avy tany Mananara Avaratra. Any anatin’ny tandavan’ala Ankeniheny Zahamena anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana mandeha ny fandripahana sy trafika samihafa ankehitriny. Any Analalava Faritra Sofia ihany koa mangotraka,… Andaniny, sesilany ny fahamaizana, toy ny any Mandena Fort Dauphin, ny any amin’ny valanjavaboaharin’i Ranomafana tafakatra 30ha ny fahamaizana,… Betsaka ireo tebok’afo sy firehetana. Tsy voaaro ny tontolo iainana, tsy ampy fitaovana,… ka asa hoe : atao fakana vola amin’ny alalan’ny « Crédit Carbonne » sy ny maro samihafa ve kanefa ny vola tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy akory !?
Toky R
Legende : Tahaka izao ny fitaomana ireo hazo avy naripaka any anaty tandavan’alan’Ankehiheny Zahamena

 

 

 

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap