harena azo tamin’ny kolikoly na ARAI na « Agence de Recouvrement des Avoirs illicites». « Voageja vonjimaika kanefa tsy maintsy atao ny famarotana noho ny fahasimban’ireo fitaovana. Mety an-taonany maro vao mivoaka ny didy raikitra satria manana zo hampiakatra ihany koa ny olona raha meloka amin’ny ambaratongam-pitsarana voalohany. Mety ho ela ny dingana samy maty antoka, mety ho simba ka hihen-danja ilay fananana, ka izay no tsy maintsy hanaovana ny lavanty », hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny ARAI Atoa Rasoloharimanana Aimé. Raha tsy meloka dia ny vola vola sandan’ny fananany no haverina aminy, ary raha toa ka meloka kosa dia miditra any amin’ny kitapoblam-panjakana. Hiarovana ny tombotsoan’ilay olona raha tsy meloka, ary hiarovana ny fanjakana ihany koa satria raha simba dia lasa kely ny vidin’ilay fananana. Teo amin’ny 106 200 000Ar ny vidin'ireo fiara miisa 11 nataon'ny ARAI lavanty ampahibemaso ireo. Misy ny vidiny farany ambany napetraka, ka miankina amin’ny tolotra ataon’ny besinimaro avy eo ny tena fahazoana azy.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady