nanoherana ny delestazy lavarenin’ny JIRAMA afak’omaly Alatsinainy 21 Oktobra alina. Tsy nijanona mantsy ireo mpianatra fa nivoaka ary nirodororo niazo io tanana io sy ny manodidina o noho ny fahasorenany ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Nanapoaka baomba lakrimozena nanoherana ny hetsika ireto farany ka tonga hatrany an-tokantranon’ny olona maro izany, nefa ny jiro tapaka. Vokany, Renim-pianakaviana iray no torana irery tao an-tokantranony nandritra iny haizim-pito iny raha zaza menavava iray ihany koa no sempotra. Ankoatra ity tranga ity dia fantatra fa nisy ihany koa ireo tokantrano vaky fitaratra izay tsy fantatra intsony na nisy saika handroba na noho ny antony hafa. Ny hany feo niparitaka dia nisy olona nitondra vato tamin’ny gony mihitsy teny amin’iny faritra iny nifampitorahana tamin’io afak’omaly alina io ihany. Miantso ireo mpianatra eny Ankatso mba hanao hetsika amin’ny andro atoandro noho izany ireo mponina eny Mandroseza sy ny manodidina. Tena ilaina ny fanoherana hoy izy noho ity jiro sy rano tapaka lava ity saingy mba ho fiarovana ny aim-bahoaka sy ny fananany kosa indrindra fa ny resaka fahasalamana dia aleo amin’ny andro atoandro no hanaovana izany.
Pati
Legende : Tahaka izao no niantombohan’ny hetsika !
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady