airtel

Actualités

10-janv-2024

Hodorana ireo vary lo any Toamasina

Saika hisy hozaraina tao Soalala ny tao Mahajanga ?

Sample post image

Nanaiky ny hanapotehana ireo vary simba 3 kaontenera tratra tao amin’ny fanatobiana

10-janv-2024

entana ao Tanandava Toamasina ilay teratany Pakistanais tompon’ny vary rehefa natao ny fombafomba araka ny lalàna, hoy ny vaovao avy any Toamasina omaly. Andrasana araka izany ny didy avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina dia irosoana ny fanapotehana an’ireo vary simba ireo ho fiarovana ny mpanjifa. Nilaza moa ny manam-pahefana notarihin’ny Lehiben’ny Fampanoavana Atoa Vahiny Yvi Sandro tamin’ny fa nisy teratany Indo-pakistanais 2 tao anatin’io, mitohy ny famotorana, ary misy ny sazy miandry. Tsy azo amidy ny vary simba, mety hamparary ny vahoaka, ka tsy maintsy hopotehina, tsy maintsy hisy ireo voasazy, ka aoka samy ho tony ny vahoaka. Hitanay ny tarainanareo ; manao ny asany ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana, hoy io tompon’andraikitra io. Mba tsy hampisy ahiahy, nambara fa nohidiana ilay mangazay, ary tazonin’ny mpitandro filaminana ny fanalahidy. Hisy ny fanadihadiana hoe : efa simba tany anaty sambo sa tao anatin’ny toerana fanatobiana izany. Andrasana izany tohiny hoe : hilentika tokoa ve ireo vahiny sa hangingina ny afera ? Mikasika ilay tany Mahajanga kosa, nanaitra ny nilazan’ny ben’ny tanànan’i Soalala Atoa Mohamad Chei, fa nampanantena vary ho an’ny vahoaka tao Soalala ny solombavambahoaka manoloana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Ity farany izay isan’ny voasaringotra noho ny fanasoniavana ilay taratasy famoahana ny vary. Fifandrifian-javatra sa ireo vary lo no nampanantenaina ho an’ny vahoaka ? hoy ny ben’ny tanànan’i Soalala. Heverinay, hoy izy, fa tsy kisendrasendra no nampanantenany ny vahoaka iray volana lasa fa hisy vary amina kaontenera maro ho an’ny vahoaka. Rehefa nitranga ity toe-javatra ity izay vao taitra ny vahoaka. Raha sanatria ka io tokoa ny tonga taty dia ahoana ? hoy hatrany ny tenany. Mino sy manantena izahay fa hampiharina araka ny efa nolazain’ny filoham-pirenena ny lalàna fa tsy hisy kinamanamana. Niantso nivantana ny Fitsarana momba ny kolikoly na ny PAC sy ny Minisiteran’ny fitsarana mba hamaliana ireo fitoriana samihafa na ao Mahajanga na eto Antananarivo io ben’ny tanàna io, indrindra fa ny mahakasika ity vary lo ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap