airtel

Actualités

06-févr-2026

Japon sy Madagasikara

Hanamafy ny fiaraha-miasa,

Sample post image

noraisina ny masoivoho vaovao

06-févr-2026

Noraisin'ny filohan'ny fanavaozana, ny Kolonely Michael Randrianirina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly, ny taratasy manendry ny masoivoho japoney vaovao hiasa eto Madagasikara, Hitoshi Tojima. Fihaonana izay nanamarika ny fanombohan'ny fe-potoam-piasan'ity masoivoho vaovao ity eto Madagasikara. Nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta koa izany, hoy ny fanazavàna. Naneho ny fiaraha-miory sy ny firaisankinan'ny governemanta japoney amin'ny vahoaka malagasy ny masoivoho Hitoshi Tojima, noho ny voina sy ireo fahasimbàna nateraky ny rivodoza Fytia farany teo, nandritra izany, raha ny fanampim-baovao voaray ihany. Nanamafy, araka izany, ny fanjakàna japoney fa hanohy ny fiaraha-miombon’antok’izy ireo amin’ny firenena malagasy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-août-2026

Tena handroso raha mifankatia sy

Card image cap
12-août-2026

hazo ala 149, saribao 134 gony,...

Card image cap
11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap