airtel

Actualités

14-juil-2025

Jean Louis Andriamifidy

«Tsy kolikoly ny fizaran-javatra rehefa fampihelezan-kevitra»

Sample post image

Tokony hahay hanavaka ny hosoka sy ny kolikoly ara-pifidianana ny olompirenena,

14-juil-2025

hoy ny tale jeneralin’ny CSI na «Comité pour la Sauvegarde et l'intégrité», izany hoe ny komity mitandro ny fahamarinana, Jean Louis Andriamifidy. Ireo voafaritra ao amin’ny lalàna fototra 2016-020 ihany no azo lazaina fa kolikoly ary enjehin’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, hoy izy. Tsy voasokajy ho kolikoly ny fizaran-javatra rehefa fotoanan’ny fampihelezankevitra fa raisina toy ny fandikan-dalàna tsotra . Efa misy ireo didy aman-dalàna momba ny fifidianana eto Madagasikara saingy tsy voafaritra ao anatin’izay ho fandikan-dalàna ireo lazaina fa fividianan’olona. Fandikan-dalàna tsotra ireny zavatra ireny, hoy hatrany ny tenany, ka tokony hahay hanavaka ny kolikoly sy ny hosoka ny olompirenena. Tahaka ny ahoana moa izany ny fandikàn-dalàna no atao hoe tsotra dia mba mahazo ny sazy sahaza azy ve ireo lazaina fa manao fandikàn-dalàna tsotra fotsiny rehefa fampielezankevitra, indrindra fa rehefa kandidàm-panjakàna no manao ilay hoe «fandikàn-dalàna tsotra» izay? Fanontaniana isany mipetraka izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap
20-avril-2026

ho an'ny Filoham-panjakana...

Card image cap
20-avril-2026

fandraisana lesona amin'ny tsikera"

Card image cap
20-avril-2026

Tanora iray voapoizina teny Ambohimalaza

Card image cap