airtel

Actualités

22-févr-2024

Actualités

Jono sy harena an-dranomasina Volabe no very amin’i Madagasikara

Sample post image

Mahatratra hatrany amin’ny 14-16 tapitrisa dolara isan-taonany fantiantoka

22-févr-2024

ateraky ny jono tsy ara-dalàna tsy misy fanambarana sy tsy misy fampanarahan-dalàna na INN (Illégale Non déclarée et Non réglementée), raha ny tatitra nataon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga. Maneran-tany kosa dia mahatratra 24 miliara dolara io, ka ny 1,2 miliara dolara no aty amin’ny Kaontinata Afrikanina, raha ny fanazavana. Tombanana ho mbola ambony lavitra noho io voalaza io aza ny fantiantoka ho an’i Madagasikara. Ny an’olona tsara aro fa ny antsika mibanaka ! Mbola azo hanokafana ady hevitra ihany koa ny sandan’ny fifanarahana amin’ny fanjonoan’ny sambo Eoropeanina amin’ny Fari-dranomasina Malagasy mandritry ny 4 taona, izay 12,8 tapitrisa Euros eo, izay nambara fa miampy ampaham-bola 1 100 000 Euros isan-taona ho fanohanana ny sehatry ny jono manokana. Mifandraika amin’ny sandan’ny hazan-drano alainy ve ? Isan’ny nisongadina tato anatin’ny tapa-bolana moa ny resaka fanjonoana dingadingana na « concombres de mer » noho ny fisiana mpanjono avy aty Madagasikara 164 voasambotra tany Seychelles. Sinoa miisa 4 sy Malagasy 10 no nalefa any am-ponja vonjimaika, raha toa ka arahi-maso ara-pitsarana kosa ny 150. Io izay namoahana naoty fandrarana ny fitrandrahana azy any amin’ny Faritra Boeny, Diana, Sofia, ary SAVA hahafahana miaro ny fitomboan’io hazan-drano io. Mbola azo iadian-kevitra moa hoe : tena fari-dranomasin’i Seychelles tokoa ve no nanjonoan’ireo raha jerena amin’ny ara-jeografika sa mbola azo lazaina fa taty amintsika satria ny Nosy Providence dia isika no akaiky kokoa azy ? Nohamafisina, fa tsy ara-dalàna ny jono iray rehefa mifanohitra amin’ny lalàna. Tsy misy fanambarana ny jono rehefa tsy voaisa ny vokatra azo, ary tsy manara-pitsipika rehefa any amin’ny faritra tsy anatin’ny fehezin’ny lalàna intsony. Marihina sy tsiahivina hatrany, fa isan’ny tany manana ranomasina sy harena an-dranomasina midadasika indrindra aty Afrika i Madagasikara. Mahatratra 500 miliara dolara isan-taona ny vola miodina amin’ny tsenan’ny hazan-dranomasina maneran-tany, ka raha ny 1% amin’io fotsiny no azontsika dia efa 5 miliara dolara, hoy Atoa Tahina Razafinjoelina nandritra ireny adihevitra nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ireny. Tena hay sy voafehy ary vitantsika ve ny mamadika ny ranomasina sy ny harena ao anatiny ho fanohitry ny fampandrosoana ny firenena ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap