airtel

Actualités

07-sept-2022

Actualités

Kaominina Alasora Hasiam-panamboarana ireo fotodrafitrasam-panatanjahantena

Sample post image

Havaozina sy hasiam-panamboarana avokoa ireo foto-drafitrasa fanaovana fanatanjahantena ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Atsimondrano.

07-sept-2022

Anisan’izany ny kianja maitso ao Mahazoarivo. Hasiana kianja filalaovana basikety baolina ihany koa ao amin’ny EPP Miadana raha toraka izany ny ao amin’ny sehatra maitso…Samy hahazo sy hisitraka izany avokoa ny mponina manerana ireo Fokontany 19 mandrafitra ny kaominin’Alasora hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy ankoatra ny Fokontanin’Ambohidrazaka. Tsiahivina moa fa tena fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay lalao « tournoi du maire » notanterahina tao amin’ity kaominina ity izay marihina fa efa nikatona. Tafakatra 85 isa mantsy ireo ekipa nandray anjara tamin’izany izay nitombo avo roa heny raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mandroso sy miroborobo araka izany ny sehatry ny fanatanjahantena ho an’ny kaominina Alasora izay ezahina hohatsaraina hatrany. Sady nampifankatia no nampifanakaiky bebe kokoa ny mponina mantsy ny fisian’ilay hetsika no sady hahafahana miady amin’ny fidonanam-poana sy ny fidorahana zava-mahadomelina ihany koa indrindra fa ho an’ireo tanora. Hiezaka hatrany araka izany ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany hanatsara sy hampandroso izany ao amin’ny faritra iadidiany.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap