airtel

Actualités

29-avril-2025

Kaominina Antehiroka

Harenina ny lapan’ny tanàna

Sample post image

Anatiny tanteraka isika amin’izao fotoana izao amin’ny fanarenana ny kaominina Antehiroka,

29-avril-2025

hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo, miaraka amin’ny fitantanana vaovao izay tarihiko. Samy mahita ny rehetra, hoy izy, fa na ny birao fiasàna dia efa tranainy be. Misy ampahany amin’ireo mari-trano aza no efa mihozongozona. Nanomboka tamin’ny fandaminana ireo mpiasa ny fanarenana ary, raha sitrapon’Andriamanitra, dia harenina ihany koa ny lapan’ny tanàna. Hisy ny asa fanavaozana ny tanàna ary, araka ny efa henontsika teny anivon’ireo haino aman-jery, dia maro tamin’ireo mpivarotra no nitaraina. Nisy moa ny efa fifampiresahana mialoha tamin’izy ireo saingy nisy tamin’ireo mpivarotra no nanao tatitra vilana ka ireo tsy tonga nivory niaraka taminay no tsy nahalala tsara ny zavatra nifampiresahana tao. Efa niravina ary tsara ny fifandraisana eo amin’ireo mpivarotra sy fiadidiana ny kaominina ankehitriny. Nisy ny fangatahan’izy ireo ny amin’ny resaka sendikan’ny mpivarotra. Ezahan’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa, noho izany, ny hihaino izany hatrany ary hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fangatahan’ireo mpivarotra. Vahaolana nangatahan’izy ireo ny handravàna tanteraka an’io tsena ao Ambohibao io, izay ahitàna mpivarotra miisa 150 eo, mba ho tafo lanitra. Ankoatran’izay dia mba afaka hiditra ao avokoa ny mpivarotra amoron-dalana satria ho mora tazana hoe io no tsenaben’Antehiroka hatramin’izay. Hisy, noho izany, ny fiovàna tsikelikely mikasika ny tsena manomboka amin’ny herinandro. Efa maro amin’ireo mpivarotra amoron-dalana moa no nanaiky ny hiditra anaty tsenabe. Ankoatran’ny tsenan’Ambohibao dia mbola misy hafa koa toy ny ao Morondava sy Ambohijanahary. Ho alamina mihitsy ny isam-pokontany satria reny ny tena ka manahirana ny hiheritreritra hoe tsy hisy lalana andehanan’ireo zanaka hianatra intsony fa feno tsena ny arabe, hoy hatrany ny ben’ny tanàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap