airtel

Actualités

17-févr-2025

KAOMININA IVATO

Mihazakazaka ny asa fampandrosoana

Sample post image

Mihazakazaka ny asa fampandrosoana ny tanana ho an’ny Kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo.

17-févr-2025

Taorian’ny tapa-bolana nitondran’ny Ben’ny tanana Penjy Randrianarisoa indray dia efa hita taratra sahady izany toy ny fanamboarana ireo foto-drafitrasa mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana. Ankoatra ny arabe mikodana dia voakasika koa ireo karazana lalana any an’elakelan-trano izay mbola hitohy ao amin’ny faritra K4. Tanjon’ny Ben’ny tanana ny mba hahafahana mampandroso araka ny tokony ho izy hatramin’ny farany ny tananan’Ivato manontolo, fanamby efa napetraky nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahiny farany teo. Tsy latsa-danja amin’izany ny sosialim-bahoaka sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay tena mampitaraina ny faritra maro tokoa amin’izao fotoana izao. Fantatra moa fa samy hahazo tombontsoa amin’izany avokoa ny Fokontany rehetra, fa tsy hisy hatao zanak’Ikalahafa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny asa efa vita !
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap