taratasim-panjakana. Nambarany fa noho ny hamaroan’ny vahoaka Malagasy, betsaka ny taratasim-panjakana ilaina amin’ny fahafaha-misitraka kopia miainga amin’ny didim-pitsarana na “jugement supplétif” sy karapanondro, ka noho izay dia tsy maharaka ny trano pritim-pirenena amin’ireo taratasim-panjakana na “imprimés” sasantsasany izay ilaintsika, voatery tsy maintsy miara-miasa amin’ny tsy miankina hahafahana manatratra ny fotoana sy ahafahana manome fahafaham-po satria tsy maharaka ny rehetra. Notsipihiny kosa fa ny “imprimés” izay tsy manana lanja ara-pitsarana na “valeur judicaire” ihany no homena ireo tsy miankina, toy ny: requite au jugement, déclaration solennelle sur l’honneur, certificat de résidence, certificat de recherche infructueuse, certificat d’examen somatique. Tsy azo atao any amin’ny tsy miankina kosa ny Karapanondrom-pirenena na CIN satria misy lalàna tsy maintsy hajaina, tsy maintsy ao amin’ny trano pritim-pirenena ihany no atao. Tahaka izany ihany koa ny renin-karatra hanaovana ny karapanondro. Zavatra manara-dalàna, ary zavatra tsy maintsy manaraka ny toetr’andro ihany koa no atao ao anatin’ny hetsika fizarana karapanondro faobe, hoy io Minisitra io. Na izany aza, mampanahy ny resaka tsenambaro-panjakana amin’io, izay ahiana ho ireo orinasa akaiky ny mpitondra no hahazo sehatra sy laka amin’izany.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady