airtel

Actualités

10-déc-2024

KIANJA MAITSON’ALASORA

Tsy vakoka izany, hoy ny tompon’andraikitra

Sample post image

Nasiam-panatsarana ho lasa kianja hahafahana milalao basket baolina ny kianja maitson’Alasora,

10-déc-2024

distrikan’Avaradrano amin’izao. Betsaka ny resaka mandeha mifamahofaho mifandraika amin’izany, antony nitondran’ny tompon’andraikitra fanazavana manokana. Fantatra fa tsy vakoka ny kianja maitson’Alasora. Toerana iray filalaovan’ny mpianatry ny EPP Ambohimanga Alasora tamin’ny fotoan’androny izy io raha ny nambarany naorina tamin’ny taona 1998, tamin’ny andron’ny Ben’ny tanana teo aloha Rabearisoa Eric, novatsian’ny Cooperation Francaise vola. Tsy mbola vakoka araka izany ny foto-drafitrasa vao 26 taona hoy ny fanazavana ary raha natsiam-panatsarana izy io dia mba hahafahan’ny tanora avy amin’ny Fokontany miisa 20 miala voly ary efa nangatahana tso-drano tamin’io Ben’ny tanana teo aloha io koa. Tsiahivina moa fa indray mandeha isaky ny 3 volana ity toerana ity teo aloha vao mba misy hetsika hany ka tena nangina. Ankehitriny tsy izany intsony ny zava-mitranga fa niova tanteraka.
Pati
Legende : Efa misy kianja filalaovana basket baolina mahafinaritra tahaka izao ao amin’ny kianja maitson’Alasora !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap