airtel

Actualités

20-janv-2025

LAKAN-DRANO RASALAMA-BESARETY

10 Km voadio, hiharan’ny lalana izay tratra manary plastika

Sample post image

Lakan-drano mirefy 10 Km hatreto no voadion’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly

20-janv-2025

misahana ny loza voajanahary ary ny APIPA teny amin’ny Rasalama miazo an’i Besarety ka hatreny Andravoahangy. Ireo faritra ireo mantsy no tena sahirana voalohany amin’ny tondra-drano raha vantany vao milatsaka kely ny ranon’orana. Ankoatra ny loto maro isan-karazany dia anisan’ny nibahana ny fikorinan’ny rano maloto tao anatin’ireo lakan-drano ireo ny harona sachet plastika sy ny tavoahangy plastika. Mampitandrina ireo mbola tratra manary ireo karazana fako ireo ao anaty lakan-drano araka izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Taorian’ny fahavitan’ny asa moa dia fantatra fa efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fikorinan’ny rano maloto eny amin’iny faritra iny amin’izao. Tsiahivina moa fa tsy ireo mponina eny amin’iny faritra Rasalama ka hatreny Besarety iny ihany amin’izao no miaina ao anaty rano fa faritra iva maro eto an-drenivohitra no efa voakasika toy ny eny Anosibe, ambadiky ny JIRAMA 67 ha, Andranomanalina…..Saika olan’ny lakan-drano avokoa no mahatonga izany amin’ny ankapobeny izay mila fanadiovana avokoa.
Pati
Legende : Efa mba mikoriana tsara ny lakan-drano hivarinan’ny rano maloto ety Andravoahangy amin’izao !
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap