airtel

Actualités

20-janv-2025

LAKAN-DRANO RASALAMA-BESARETY

10 Km voadio, hiharan’ny lalana izay tratra manary plastika

Sample post image

Lakan-drano mirefy 10 Km hatreto no voadion’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly

20-janv-2025

misahana ny loza voajanahary ary ny APIPA teny amin’ny Rasalama miazo an’i Besarety ka hatreny Andravoahangy. Ireo faritra ireo mantsy no tena sahirana voalohany amin’ny tondra-drano raha vantany vao milatsaka kely ny ranon’orana. Ankoatra ny loto maro isan-karazany dia anisan’ny nibahana ny fikorinan’ny rano maloto tao anatin’ireo lakan-drano ireo ny harona sachet plastika sy ny tavoahangy plastika. Mampitandrina ireo mbola tratra manary ireo karazana fako ireo ao anaty lakan-drano araka izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Taorian’ny fahavitan’ny asa moa dia fantatra fa efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fikorinan’ny rano maloto eny amin’iny faritra iny amin’izao. Tsiahivina moa fa tsy ireo mponina eny amin’iny faritra Rasalama ka hatreny Besarety iny ihany amin’izao no miaina ao anaty rano fa faritra iva maro eto an-drenivohitra no efa voakasika toy ny eny Anosibe, ambadiky ny JIRAMA 67 ha, Andranomanalina…..Saika olan’ny lakan-drano avokoa no mahatonga izany amin’ny ankapobeny izay mila fanadiovana avokoa.
Pati
Legende : Efa mba mikoriana tsara ny lakan-drano hivarinan’ny rano maloto ety Andravoahangy amin’izao !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap