airtel

Actualités

05-sept-2024

Lasa resa-pianakaviana ny fitantanana ny firenena

Ny zanak’i Rajoelina lahy no nifampiaraharaha tamin’ny Emirates

Sample post image

Rehefa mihaino tsara ny lahatenin’ny filoha Rajoelina ny talata lasa teo tamin’ny fitsenana ilay

05-sept-2024

sidina voalohan’ny emirates teny Ivato, dia tahaka ny hoe ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity no hamonjy an’i Madagasikara sy hanome hanafaka ny fahantran’ny Malagasy. Noraisina tahaka ireny mandray filoham-pirenena na mpanjaka ireny mihitsy ilay fiaramanidina boeing 777 sy ireo mpitantana avy ao amin’ny Emirates. Iny eo ihany fa ny tena nanaitra dia hay ve ka ny zanaka lahimatoan’ny filoha, i Harena Rajoelina no nanao ny fifampiraharahana tany Dubaï ka nahafahana nametraka izao fiaraha-miasa amin’ny emirates izao e . Mampanontany tena ihany hoe efa mpikambana ao amin’ny governemanta ve izany ity zanaky ny filoha ity sa mpanolotsaina manokan’ny dadany amin’ny resaka fitaterana sy fizahantany sa « consultant » eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sa inona ? Dia tena tsy misy olona hafa mihitsy ve avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy afaka niresaka tamin’ny Emirates fa tsy maintsy ny zanaky ny filoha no nanao izany. Tsy fahadisoana mihitsy angamba no miteny hoe io fa atao raharaham-pianakaviana ilay fitantanana ny firenena. Isaorako manokana ny zanako Harena, hoy i Rajoelina niasa mafy sy nanao izay ho afany ka nahafahana nahatonga ny emirates eto Madagasikara izao ; nisy teratany vahiny iray ihany koa moa nambara fa niara-niasa taminy. Ankoatry ny aferan’ny akamakama dia raikitra ihany koa izany ny resa-pianakaviana amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fanaovana fifampiraharahana iraisam-pirenena. Asa na mba hihetsika manoloana izao ka hanao fanadihadiana ny parlemantera sy ny Bianco na dia hitazana sy hitehaka fotsiny.
RTT

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap