airtel

Actualités

10-déc-2024

LEHILAHY 49 TAONA MPANOLANA HAVANA

Nanamparany ny habibiany im-balo misesy ny zanak’anabaviny

Sample post image

Zazavavy kely vao 11 taona monja monina any Ambatolaona Mantasoa no fantatra na naolan’ny anadahin-dReniny efa 49 taona im-balo misesy.

10-déc-2024

Rahonany ilay zaza mandritra izany ary hanaovany firaisana an-terisetra. Rehefa naheno izany anefa ny renin'ilay zaza izay anabaviny dia tsy nanaiky na dia norahonany ihany koa aza, indrindra raha vao mitory azy. Raha ny fantatra moa dia tsy vao izao ity lehilahy tsy mataho-tody ity no nanolana fianakaviana tahaka izao fa efa nisy ihany koa havany miisa roa efa "novetavetainy" fony fahazaza saingy novitaina tamin’ny raharaham-pianakaviana fotsiny izany. Natolotry ny renin'ilay zaza ny borigadin’Ambatolaona ny fitoriana ka niarahan'ny fokonolona natao ny fikarohana ilay Rangahy ary dia voasambotra soa aman-tsara izy. Ireo heloka bevava roa sosona ireo moa no hiampangàna ity lehilahy 49 taona ity ka hanolorana azy eo anatrehan’ny fitsarana.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap