airtel

Actualités

19-févr-2024

Mahajanga

Potiky ny delestazy efa ho 6ora ny mpandraharaha, ny làlana potika,…

Sample post image

Tanàn-dehibe isan’ny mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny delestazy

19-févr-2024

ny tanànan’i Mahajanga amin’izao fotoana. An-taonany no niandrandran’ny vahoaka sy ny mpandraharaha anyan-toerana vahaolana, saingy toa vao mainka ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Asa na efa mihatra ilay politikam-pitsitsiana fampihenana ho 20% ny fandaniana ara-tsolika amin’ireo tanànan-dehibe manerana ny Nosy ankoatra an’Antananarivo sy Sainte Marie ary Nosy Be fa dia tena lasibatra tanteraka i Mahajanga amin’izao fotoana izao ? Efa ora 6 isan’andro ny delestazy any an-toerana amin’izao fotoana izao. Mijaly ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina indrindra fa ireo mivelona amin’ny fitehirizana hazan-drano fa potika avokoa ny entana. Isan’ny iankinan’ny fivelomana sy fiharian’ny olona maro any an-toerana anefa io, ankoatry ny sehatry ny indostria. Mihena mazava ho azy ny famokarana ! Sady efa tsy manana politika mazava momba ny famokarana, ny fihariana, ny famoron’asa,… ny Fanjakana kanefa ny efa mba kely miezaka izay hahavelona sy hampiroborobo azy toa vao mainka milentika sy potika noho ny delestazy. Ao anatin’ny ambara fa andry 3 hitondrana ny Firenena ny resaka indostria kanefa ny herinaratra izay fototra lehibe mampahomby izany aza sady lafo kanefa tsizarizary sy zara raha miodina ka famokarana inona no ho vanona amin’izany ?
POTIKA TANTERAKA NY LALANA NA NY RN4 NA NY AO AN-TANANA
Mbola ao Mahajanga ihany, ampahany fotsiny ny resaka delestazy, fa tena potika tanteraka ny ankamaroan’ny làlana izay làlandran’ny Firenena. Potika daholo na ny RN4 na ny ao an-dRenivohitr’i Boeny. Hita sy tsapa fa tsy miparitaka any amin’ireo faritra ny volam-panjakana ka mijaly tanteraka ireo mponina na amin’ny jiro na amin’ny làlana. Mankaiza marina ny tamberiny amin’ny hetra samihafa alaina amin’ny vahoaka toy ny FR (Fond Routiers) alaina mivantana amin’ny solika ? Tena tonga eny ifotony ve ny volam-panjakana hahafahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mamaha ny olany sy mitondra fampandrosoana araka ny filany sa dia giazana any an-tampony hatrany ? Mbola taratry ny fihemorana ihany koa io resaka làlana io satria rehefa ny làlana no simba dia tsy afaka mivezivezy araka ny tokony ho izy ny mponina, miakatra ny mason-karenan’ny fitaterana noho ny solika lany, ny vidin’ny piesy,… izay any amin’ny vahoaka no hanorenan’ny mpitatitra azy. Atao mahagaga ve raha midangana ny vidim-piainana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap