airtel

Actualités

16-oct-2023

Manaitra ny rehetra ny vondron’ny kandida

Misy birao fandatsaham-bato matoatoa 800 mahery ao Toliara

Sample post image

Tato amin'ny Magro Andaboly indray no nifamotoana ny solontenan'ny vondron’ny kandida 11 ao Toliara ny sabotsy

16-oct-2023

14 lasa teo. Mitohy ny tolona, manohana ny fitakiana izay ataon'ireo Kandidà miisa 11 ao Antananarivo renivohitra izahay, hoy nifandimby nikabary .
Tsy azo ekena ny firotsahan-kofidian'i Andry Rajoelina noho izy tsy malagasy intsony rehefa nisafidy ny hamafa izany ny taona 2014, satria nangataka ny hahazo zom-pirenena Frantsay ary nahazo izany ; nazava tsara ny voasoratra ao amin’ny andininy faha 42 nn’ilay lalàna momba ny zom-pirenena Malagasy
Tsy azo itokisana ihany koa ireo rafitra mikarakara fifidianana ireo, hoy ny mpanarada ny vondron’ny kandida ao Toliara satria mitanila tanteraka, toy ny HCC, CENI ary indrindra io governemanta izay tsy manara-dalàna io.
Miantso antsika vahoaka malagasy rehetra samy hijoro amin'ny maha malagasy antsika, tsy sanatria isika indray no hanatsatso sy hamafa ny ady tamin'ny vazaha izay nataon'ireo razam-be tsika tamin'ny 1947, hoy hatrany ny mpanaradia ny vondron’ny kandida ao Toliara . Notsipihan’izy ireo ,azava anefa fa tsy misy matahotra fifidianana ny eto, fa atsangano aloha ny Cour électorale spéciale na fitsarana manokana momba ny fifidianana mba hampadio ny lalao, ary mila atao fitsirihina io lisim-pifidianana io. Ny fanadihadiana nataonay, hoy hatrany ny solontenan’ny vondron’ny kandida ao Toliara dia efa nahitàna fa misy ireo Fokontany matoatoa, ary birao fandatsaham-bato matoatoa miisa 800 mahery ato amin'ny Faritanin’i Toliara.
Tsy azo ekena izany.

Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap