Mbola nanizingizina ny depiote Rajerison Antoine omaly, ny amin’ny ambarany fa fisiana kajy politikan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, miaraka amin’ny HCC sy ireo depiote IRMAR nisintaka, amin’ny alalan’ny fananganana vondrona parlemantera vaovao, mba hananganana governemanta vaovao. « Ny ahy ny fijeriko an’ity antenimierampirenena ity dia ity mihitsy no fositra mitarika makany amin’ny fahaverezana eto amin’ny tany sy ny firenena satria rehefa tonga ilay fahefam-panjakana anankiray dia mirona makany foana ilay solombavambahoaka », hoy io depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Arivonimamo io, tao anaty vaovao an’habaka iray. Tsy misy hiteny anareo, hoy izy, hoe nisy ilay izy, ary tsy hiteny izy fa diso fa tsy maintsy hitady fanazavana. « Tao anatin’ny ady sy tolona nataontsika teny an-kianja, dia lasa nihazakazaka amin’ny firosoana fametrahana ny olony ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Nisy ny tsy miankina sy IRMAR izay niaraka sy akaiky ny fitondrana teo aloha, noravana sy havondrona ho ao anaty Vondrona Parlemantera iray, ka tsy miroso amin’ny fanavaozana raha izay no atao. Ny Tale kabinetran’ny Filohan’ny antenimierampirenena efa lasa Filohan’ny CENI fa mbola mivezivezy eto, ny antoko TIM nanala ny ben’ny tanànan’Antananarivo dia tonga aty amin’ny Filohan’ny Antenimiera mba hifanohana amin’ny ady manaraka », hoy hatrany Rajerison Antoine. Aty amin’ny faran’ny fivoriana parlemantera no mamoaka fijery ny HCC fa afaka manangana vondrona parlemantera ka mazava be ny kajy fa hiroso amin’ny fandravana governemanta hametraka ny olony anaty governemanta, anaty faritra, distrika,… dia hiverina ny geja rehetra, hoy ity farany. Ny Vondrona maro an’isa no manolotra ny Praiminisitra sy hiara-handrafitra ny governemanta. : « Tsy hangiana mihitsy isika raha mbola misy tsy mety. Ambarantsika foana izany rehetra tsy mety izany. Tsy « attaque personnelle » io na alahelona zavatra hafa fa tena nisy io. » Na izany aza tsy afaka manao « motion de censure » hanonganana ny Praiminisitra sy ny governemanta ny depiote, tsy afaka manongana ny Filoha ny antenimierampirenena, tsy azo ravaina ny antenimierampirenena,… raha ny didin’ny HCC ny 14 oktobra 2025.
Toky R