Ankoatra ireo dia rongony efa maina 1kg , metaphetamina 500 grama sy heroine na roro 6 grama ary fitaovana fodorohana zava mahadomelina maro ihany koa no nogiazana olona 3 voasambotra nandritra izany. Raha tsiahivina kely dia tratra nandritra ny fisafoana amin'ny alina nataon'ny zandary avy ao amin'ny tobim-paritra Manjakandriana ny lehilahy roa mpivarotra sy mpamatsy rongony ao Manjakandriana izay tafiditra amin’ireo 3 voasambotra ireo. Nitondra "môtô" tamin'ny lalam-pirenena faharoa teo Ampisotroandranomasina, fokontany Fiadanana, kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Manjakandriana izy ireo ny 17 jona lasa teo tokony ho tamin'ny 3 ora maraina nefa mikivilavila. Taitra ireo zandary nahita izany ka nitsirika azy ireo avy hatrany. Ny fanadihadiana natao avy eo no nahafantarana fa manana saha fambolena rongony ao Ambavadivato, fokontany Mandraka, kaominina Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana izy ireo hahafahany mamatsy manerana ny distrikan’i Manjakandriana. Nosamborina ihany koa ny mpiandry tanàna sy mpamboly ireo rongony ireo.Rehefa natao koa ny fisavana ny tranon' ireo roalahy voasambotra voalohany tao Besarety Antananarivo renivohitra dia mbola nahatrarana rongony efa maina 400 grama, "métamphétamine" 500 grama ary héroïne na "rôrô" milanja 3 grama hafa ihany koa, miampy fitaovana fidorohana zava-mahadomelina am-polony maro.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo voly rongony tratra tao Manjakandriana
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny