airtel

Actualités

19-févr-2024

MBA TONGAVA SAINA NAMA !

Salama aloha e, tena marina ry jean fa

Sample post image

hoe ilaina ny manatrika ny fivoriana any ivelany fa na izany aza ,

19-févr-2024

mba manao ahoana ny vokatra tsara azontsika avy amin’izy ireny a ? Ianareo makamaka sary no tazanay, fifanolanana eo amin’ny samy delegasionina no renay. Asa hoe ianareo ireto va mba mieritreritra ihany ny zava-misy eto amin’ny tanana dia mba mandray ny fapanapahn-kevitra mety sy mifandraika amin’izany a. Nisy firenena anie ry Jean kely tao Afrika fa tsy nivoaka tany ivelany mihitsy ny prezda tao fa nandroso tsara ihany ilay firenena e. Ny antsika tena hoe izay manampahefana tsy mamita « mission » any ivelany no manenina. Rehefa jerena anefa ny zava-misy marina dia hoe tanàna maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo renivohitra ; efa hanaovan’ny olona sarisarin-teny hoe renivohitry ny fako . Dia ianareo mianakavy tsy mety mbola tonga saina fa manohy ny werawera ihany . Henjana ireo zavatra hafahafa sy sampona nitranga tato anatin’ny 30 andro izao ry Jean a, asa hoe mba maharaka tsara ireny vaovao ireny ihany ve ianao, mba mahazo tatitra marina tsara ihany ve sa raha tsy ao an-dapa, dia mandehandeha mampanatena volana sy masoandro ny vahoaka, na koa manatrinatrika fihaonana any ivelany. Mbola vao volana febroary anie izao ry jean e, efa tena re manaikitra ilay fahasahiranana, ka inona no vahaolana arosonareo amin’io ? Mba tongava saina nama fa efa ataon’ny olona resaka a !
Marco
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap