airtel

Actualités

19-déc-2024

Miteny irery eny an-dalambe

Miha maro, lehilahy ny ankamaroany

Sample post image

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

19-déc-2024

Raha araka ny hita eny rehetra eny dia Raim-pianakaviana ny ankamaroan’izy ireny, izay tombanana ho miady saina mafy amin’izay azony hatolony ho an’ny ankohonany, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Maro amin’izy ireny noho izany no tsy mahatsiaro saina raha tsy misy mikitika na mandona mafy. Izy sy ny eritreritry no mifampitafa eny an-dalana eny mandrapahatongany any amin’izay toerana alehany. Vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa raha tsiahivina no antony mahatonga izany. Manampy trotraka io ny tsy fisian’ny asa izay mahazo ny ankamaroan’ny Malagasy. Ny adidy amin’ny fiatrehana ny fiainana anefa tsy lazaina intsony raha tsy hilaza afa-tsy ny fitadiavana ny sakafo hohanina isan’andro, ny fanefana ny hofantranon’olona sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA…. Mety hihafara any amin’ny tsy fiverenan’ny saina ho ara-dalàna intsony moa ny fitenenana irery raha diso matetika loatra hoy ny manam-pahaizana iray momba ny saina. Mety ho lasa fahazarana ihany koa izy io ho an’ireo olona efa miaina azy ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Teren’ny fiainana ny ankamaroan’ny Malagasy ka tsy mahatsiaro tena intsony. 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap