arahina fepetra ireo izay nanao izany. Mitovy amin’ireo mpamono olona ihany izy ka tsy afaka hangataka fahafahana intsony. Io no nambaran’ny Ministry ny Fitsarana nandritra ny fambolen-kazo notanterahin’izy ireo manodidina ny fonjaben’i Tsiafahy ny Sabotsy 17 Janoary teo. Fantatra mantsy fa maty avokoa ny 26%-n’ireo hazo novolena teny an-toerana tamin’ny taona 2022 sy 2024. Vokatry ny fandoroana tanety sy ny hetraketraka nataon’ny hafa no voalaza ho antony mahatonga izany. Zana-kazo miisa 5.000 fototra no novolen’izy ireo noho izany ho solon’ireo maty. Marihana fa ezaka lehibe no natao tamin’io Sabotsy io ho fandrakofana indray ireo tany tratra ny doro ala tamin’ny Septambra 2024 lasa teo, izay nahamaizana ireo hazo novolena tamin'ny taom-pambolen-kazo 2022 sy 2024. Hazo miisa 5.000 fototra no novolena tamin’izany ka 1.342 sisa no tsy may tamin’zany, raha tsiahivina.Hisy fepetra ho raisina araka izany ho fisorohana sy fiarovana ireo hazo novolena ka ho hasiana aroafo sy ho hamafisina ny fanarahamaso.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo natao tamin’ny Sabotsy teo !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira