Lehilahy iray no tratra ambodiomby nanolana, omaly tokony ho mitataovovona tao Andakabe Morondava.Niditra an-keriny tao an-tranona tovovavy iray, 20 taona, io lehilahy io. Notereny hanao firaisana ara-nofo taminy ity farany nandritra izany no sady norahonany hovonoina ho faty rehefa tsy manaiky ny filàny. Mbola nasainy nampiditra tao am-bava indray ny filahiany taorian’izany. Na izany aza tsy nety ilay tovovavy ka notolominy avy hatrany. Ny hikiakan’ity farany no ren’ny mpiara-monina saingy efa vitan’ilay tsy mataho-tody ny nataony.Efa nalemy ilay tovovavy ka voatery nentina any amin’ny hopitaly. Efa nalain’ny mpitandro ny filaminana moa ity lehilahy tsy mataho-tody ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanolana sahy maty
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”