airtel

Actualités

20-févr-2024

Mpitsabo nentim-paharazana tao Manjakandriana

Nanolana zaza tsy ampy taona, nidoboka eny Antanimora

Sample post image

Lehilahy iray, 48 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny kaomisaria

20-févr-2024

CSPD Manjakandriana ny Alatsinainy 12 febroary rehefa nanodinkodina sy nanolana zaza tsy ampy taona. Ny Lehiben'ny distrikan'i Manjakandriana no nampandre ny Polisy rehefa avy naharay tatitra avy amin'ny Lehiben'ny fari-piadidiam-pampianarana ao an-toerana fa misy tovovavy kely iray ahiana ho niharana herisetra ara-nofo tao amin’ny faritra misy azy. Araka ny tatitra azo dia nahatsapa fiovana fihetsika teo amin'ilay zaza ny mpampianatra azy, ary porofon'izany ny fitotongan'ny naotiny. Tsikaritry ny mpanabe ihany koa fa naneho fihetsika mampiahiahy ity zaza ity nandritra ny fanentanana mikasika ny herisetra mifototra amin'ny miralenta sy ny fiarovana ny trangana vohoka mahazo ny zaza tsy ampy taona. Nanoloana izany dia noraisina an-tànana avy hatrany ilay zazavavy kely. Tamin'ny fitsirihana nataon'ny mpitsabo tao an-toerana no nahafantarana fa efa niharan’ny herisetra ara-nofo ilay zaza. Natao ny famotorana ka fantatra fa lehilahy iray, mpitsabo nentim-paharazana monina ao Manankasikely anatin’ny kaominina Ambonivohitr’i Manjakandriana no nanolana ilay zaza. Nosamborina avy hatrany ity farany. Taorian'ny fanadihadiana azy dia natolotra ny fitsarana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika ny Alakamisy 15 Febroary lasa teo ny anaolahy.
Pati
Legende : Olona tokony ho maodely ny mpitsabo tahaka izao saingy ….!
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap