ao Fandriana fa misy vehivavy maty ao amin'ny hotely fatoriam-bahiny ao Fandriana, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nidina teny an-toerana ny komandin'ny tobim-paritra sy ny lefiny nanao ny fizahàna ka hita tamin'izany ity vehivavy maty ity izay tokony ho 25 taona. Araka ny voalazan'ny mpiandraikitra ny hotely sy ity lehilahy niaraka taminy dia mbola nisakafo tao amin'ny hotely izy roa kely ireo ny alina ary tsikariny fa tsy dia nazoto homana ratompokovavy. Mikasa ny ho any Miarinavaratra, toerana misy ny ray aman-dreniny izy roa kely ireo ary hiseho sy hangataka azy ho vady no anton-dian'izy ireo. Araka ny filazan'ilay lehilahy niara-natory taminy dia efa mitoe-jaza aminy ilay maty. Noho io tranga io dia nantsoina haingana ny dokotera tao amin'ny CHRD Fandriana nanao ny fizahana. Araka ny tatitra azo am-bava sy ny fitiliana na «échographies» natao dia fantatra fa zaza an-tsoson-koditra no nahafaty an-dratompokovavy. Notanana ao amin'ny tobim-paritry ny Zandary ilay tovolahy niaraka taminy atao famotorana. Any amin'ny tranom-paty ao amin'ny hopitaly Fandriana ny razana miandry ny fianakaviany. Efa nampilaza sy nampandre ny havany amin'ny haino aman-jery ny kaomandin'ny tobim-paritra zandary ao Fandriana mba hampandrenesana ny fianakaviana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny