dia mihasarotra kokoa noho ny hatrizay ny vesatra iainan'ireo mpikatroka amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy ireo Tambajotran’ny Firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny tontolo iainana, Alliance Voahary Gasy, INDRI (Initiative pour le Développement, la Restauration Ecologique et l’Innovation), ny Transparency International-IM. Nahitsy izy iro nilaza fa « Aoka izay ny tsindry ara-politika atao amin'ireo mpisintona lakolosy eo amin'ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana! » /. Mihatrika fampitahorana, antsonjay, famonjana izay miendrika tsindry amin'ny olompirenena mantsy ireo mpiaro ny tontolo iainana. Toe-javatra izay mifanohitra tanteraka amin'ilay filazana hoe « Madagasikara, nosy maintso » ventesin'ny tomponandraikitra mandritra ireo konferansa iraisampirenena samihafa. Takianay ny fandraisana andraikitra haingana mba hampitsahatra ireo fanitsakitsahana ny zo fototry ny olompirenena iharan'ireo. Tanterahana any Dubai hatramin'ny faha-12 desambara ny COP 28. Isak'ireo COP samihafa mifanesy, dia manao fanekena hiaro ny tontolo iainana ny solontenampirenena rehetra. Isan'ireny fanekena ireny ny tsy maintsy hiarovan'ny Fanjakana ireo mpikatroka ara-tontolo iainana kanefa, tsapa tao anatin'ny taona maromaro, indrindra ao anatin'izao rivotra politika ankehitriny izao, fa miharatsy ny toe-piain'ny mpiaro ny tontolo iaianana eto Madagasikara, hoy hatrany ny fanambarana.
HETRAKETRAKA, TSINDRY, FANDRAHONANA, FAMONOANA,
Misesy ny tranga mampieritreritra: Any Atsimo, nahazo roa taona an-tranomaizina sazy mihatra noho ny fisolokiana sy fampiasana titra tsy ara-dalana i Thomas Razafindremaka avy amin'ny fikambanana Gny To tsy mba Zainy (GTZ) ao Ihosy, mpiaro tontolo iaianana sy mpisintona lakolosy momba ny trangana kolikoly ; any Atsinanana, voan'ny antsonjay sy ampihorohoron'ny mpanao fitrandrahana hazo tsy ara-dalana i Angélique Razafindrazoary avy amin'ny fikambanana Razan'i Vohibola Pangalanes, izay sady mitantana ny ala arovana Vohibola sy mpiaro ny tontolo iainana ao Atsinanana ao. Tsy heno izay mba hetsiky ny Fanjakana manoloana izany, hoy izy ireo. Imbetsaka norahonana i Rivonala Razafison avy ao amin'ny ACCE/AVG, noho ny fahasahiany nitoroka ireo mpitrandraka hazo sarobidy tao amin'ny tandavanala Zahamena Ankeniheny. Mbola manampy trotraka ny tranga mampalahelo nanjo an'i Attoumani Alily (2017) sy Henri Rakotoarisoa (2022), izay novonoina noho ireo fandraisany andraikitra hiaro ny zavaboahary, mbola tsy mihatra ny zo aman-dalàna, mandeha ny tsindry, mbola tsy voafidy ihany ny lalana enti-miaro ny Mpiaro ny zon'olombelona sy ny Mpisintona lakolosy,… hoy ny tatitra. Mamerina ny fitakiany maromaro amin'ny Fanjakana sy ny mpiaramiombon'antoka ara-teknika sy ara-bola ny fiarahamonimpirenena ka anisany ny fandaniana ny lalàna sy fampiharana ny fiarovana azy ny mpiaro ny tontolo iainana
Nanongonin’i Toky R
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny