amin’ny firenena ankehitriny ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy. Na miverina aza ny herinaratra dia tsikaritra ho mbola ambany ny tanjaka ahafahana misitraka izay angovo azo avy amin’ny herinaratra izay. Ireo mampiasa fandanjana herinaratra na «stabilisateur» ao an-tokantrano dia isan’ny mahatsikaritra izany. Matetika tsy mahatratra ilay tanjaka 220 Volt tokony ho fehezina na arindran’ilay «stabilisateur» akory ny tanjakana herinaratra tongan’ny JIRAMA ao amina tokantrano iray fa tena latsaka be any amin’ny 201 na 178 Volt any mihitsy. Ho an’ireo tsy manana izay fandanjana na fifehezana herinaratra izay moa dia mitarika an’ny amin’ny fahasimban’ireo fitaovana fampiasa amin’ny herinaratra ao an-tokantrano toy ny vata fampangatsiahana sy finday mihitsy izany. Rehefa tsy izay dia potika, mitsonika, misy fofona ny sakafo notehirizina tanatin’ireny vata fampangatsiahana ireny. Iharana fahasimbana tahaka izany koa ny solosaina sy ny fitaovana fampiasa amin’ireny toerana fikoloana endrika amam-bika ireny, izay tsy mandeha rahateo ihany koa moa rehefa tapaka ny herinaratra. Manimba fihariana, mampitarazoka asa, manimba fitaovana, manimba filàn’ny olompirenena maro ity olan’ny herinaratra tsy mety voavaha sy misoko miadana ity indray ny vaikany amin’izao fotoana izao, araka izany, raha fehezina.
Nangonin’i J. Mirija
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.