dia efa niha niverina sahady indray ny olan’ny herinaratra teto an-drenivohitra. Na teo aza ny fandaharana manokan’ny filoham-pirenena sy ny fanokanana 300 tapitrisa Ariary ho fanavotana vetivety ny olan’ny JIRAMA sy ny filazàna fa samy hakàna daholo ny volan’ireo rafitra hafa rehetra fa tsy ny fanabeazana ihany mba hamahana izany olan’ny herinaratra sy rano izany dia tsy ampy herinandro akory dia io efa miha miverina io sahady ny olana. Azo ambara ho efa saika samy nanampo izay hitranga daholo ihany moa ireo mpandinika raharaham-pirenena samihafa na mpahaitoekarena io na mpanao politika na mpitantana teo aloha ity orinasam-panjakana mpamatsy herinaratra sy rano ity fa tsy haharitra ny vahaolana natolotry ny filoham-pirenena. Niaraha-nahita teo ny tsy fahafalian’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina mikasika ny olan’ny rano, izay niafara tamin’ny fanjeràna ireo sinibe na «bombonnes» mihitsy satria tsy nahasehaka ny filàn’ireo mponina, toy ny teny Amboditsiry, ohatra, ny rano tao anatiny. Ny resaka herinaratra moa dia nifandimbiasan’ireo fokontany mihitsy ny fandoroana kodiarana teny an’arabe isan-kariva. Manana ny vahaolana maharitrany manokana ve izany io filoham-pirenena izay milaza ankehitriny fa mbola vahaolana maika aloha ireny natolony ireny sa sao dia mba tokony handray ny vahaolan’ireo manam-pahaizana sy tekinisianina samihafa mba efa niezaka nanolotra izany ireny ihany?
J. Mirija
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady