airtel

Actualités

16-oct-2023

ONG Omena

“Mila hampianarina handrindra fihetseham-po ny olompirenena”

Sample post image

Nankalazaina tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina omaly alahady ny faha 4 taonan’ny sampan-draharaha

16-oct-2023

tsy miankina na ONG miady amin’ny herisetra ara-tsaina, Omena. Nampahafantarina ireo nandalo nitsidika izany hetsika izany koa, mazava ho azy, ny hoe “inona moa ity atao hoe herisetra ara-tsaina ity?”. Fikambanana eo amin’ny sehatra iraisampirenena miady amin’izany ny Omena, hoy ny fanazavan’i Ando Razakantoanina, tomponandraikitra voalohan’ny Omena eto Madagasikara. Miseho amin’ny fihetsika na teny mandratra atao amin’ny olona iray ny herisetra ara-tsaina, hoy izy. Isany ny fampiakara-peo, fitabatabana, fandatsana, fanalam-baraka olona iray. 80%n’ny zaza malagasy no hiharan’izany, hoy ny tatitry ny UNICEF. Miteraka voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny saina izany satria rehefa iharany amin’ny fomba miverimberina ny olona iray dia lasa tsy tia ny tenany, tsy matoky ny tenany ary manana fahasahiranana mivelatra amin’ny hafa na hanao zavatra tiany sy ilainy. Ireo zaza hiharan’ny herisetra dia ho lasa zatovo sy lehibe. Hamela takaitra ho azy ireo, noho izany, ny herisetra ara-tsaina nihatra taminy. Miara-miasa amina mpiara-miombon’antoka hafa izahay mba hampianatra ireo mpiasa ny fomba fandrindrana fihetseham-po sy fomba fiasa mirindra. Ao anatin’ny tetikasa koa ny hanatontosana karazana horonantsary sy asa soratra hampazava ny olona mikasika ny hoe ohatran’ny ahoana ny fisehon’izany herisetra ara-tsaina izay sy ny voka-dratsiny? Mifandray amin’ny herisetra ara-tsaina ny herisetra ara-batana sy ara-nofo ary izay no antony hoe mila hampianarina handrindra fihetseham-po ny olompirenena, hoy hatrany ny Omena!

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap