airtel

Actualités

07-avril-2023

Actualités

Orinasa FITRAMA «Mila politikan’ny sakafo ara-pahasalamana isika»

Sample post image

Tsy azo sarahana amin’ny andavan’androm-piainana ny fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny avy eo anivon’ny orinasa Fitsaboana Tradisionelina malagasy na FITRAMA.

07-avril-2023

Mila apetraka ny hasin’ny malagasy sy ny hasin’ny natiora, hoy ny filoha tale jeneralin’izy ireo teo aloha, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Baiko ao anatin’ny fahasalaman’ny olona iray ny natiora na inona fahaizan’olombelona. Mety avy amin’ny sakafo hohanina io na tontolo iainana na faharerahana anaty vatan-tenan’olombelona. Mety mitondra aretina ny fahavokisana diso tafahoatra. Toy izany koa ny hanohanana. Mety hitarika fahafatesana izany ka mila lanjalanjaina noho izany ny zavatra atao. Manana mpikaroka manokana momba izany ny FITRAMA. Mahatonga diabeta, ohatra, ny siramamy sy vary be loatra. Ny malagasy rehefa misakafo dia izay hahavoky no tanjona fa tsy fahasalamana nefa tena ilaina ny sakafo maro loko. Tsara raha ahena ny vary fa ampitomboina kosa ireo legioma sy voankazo, indrindra, ny rano izay tsy afa-misaraka amin’ny vatan’olombelona. Tsy manana izany fampianarana sakafo izany ny malagasy fa mihinam-bary dia matory. Alohan’ny fitsaboana anefa dia tokony hisy ny fisorohana izay tena mila fanohanan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny fahasalamana. Mila politikan’ny sakafo ara-pahasalamana isika satria mampihena taham-pahavelomana ny tsy fametrahana politikan’ny sakafo ara-pahasalamana. Tokony ho goavana ny politikan’ny sakafo apetraky ny fanjakana. Tokony jerena io ahafahana manavotra ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Ny any ambanivohitra izao manana taha-pahavelomana ambony indrindra satria mampivady ny sakafony amin’ny hanin-kotrana. Maraina izy mety mihinam-bary soasoa. Atoandro katsaka sy mangahazo na miaraka amin’ny tsaramaso dia hariva indray vao mihinam-bary saingy ny olana dia ny fahampian’ny sakafony voankazo. Aoka tsy ho diso fandray! Tsy hoe foanana ny vary fa ahena dia soloina zavatra toy ny legioma, ohatra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap