airtel

Actualités

11-juil-2025

Orinasa Jirama

Niato ny grevy, mitohy ny delestazy

Sample post image

Nisy fihaonana teny amin’ny foiben’ny JIRAMA ny Ambohijatovo ny takarivan’ny alarobia lasa

11-juil-2025

teo taorian’ny grevin’ny mpiasan’ny Jirama teny Soniarana. Nilatsaka taorian’izay ny tatitra sy fanambarana omaly fa miato ny fitokonana ny sendika. Nihaona ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Olivier Jean-Baptiste, ny tale jeneralin’ny JIRAMA, ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ary solontenan’ny sendika. Nolazaina fa nifantoka tamin’ny fanazavana mikasika ny sata vaovao an’ny orinasa, ny drafi-panarenana, ary ny fiahiahiana nentin’ny mpiasa ny dinika nifanaovana. Nandritra ny fiafaran’ny fihaonana, dia nanaiky ny hanajanonany vonjimaika ny fitokonana ireo sendika, raha nofoanana kosa ny baiko na « réquisition » ho an’ny tompon’andraikitry ny Jirama hanery ny mpiasa hiverina hiasa. Kasaina hotohizana amin’ny alalan’ny fivoriana hafa amin’ny manaraka indray ny fifampiresahana. Ny fanontanian’ny besinimaro kosa dia ny hoe : inona no tombotsoa ho an’ny sata ankehitriny sy ny vaovao ? Hanao ahoana ny fanatsarana ny tolotra ? Hanao ahoana ihany koa ny sarany ? Tena ny sata ve no olana sa ny politika momba ny angovo tsy nahomby ? Ny zavatra iainana aloha hatreto dia ny faktiora tsy mihena fa miakatra, ny delestazy mitomboka foana, ka omaly dia nolazaina indray fa tsy ampy ny vokatra azo tsinjaraina eto Antananarivo noho ireto antony manaraka ireto: nihena ny haavon'ny rano ao Andekaleka, tsy ampy ny vokatra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, fiaton'ny milina mpihary herinaratra iray noho ny ara-teknika. Noho izany, dia voatery mampiatra ny fahatapahan-jiro mifandimby ny JIRAMA. Izany foana mandavan-taona, ary tsy manan-kery ny hoe : « service essentiel » ka tsy azo tapahina, tsy azo atao sorona ny fihariam-bahoaka,… rehefa ohatr’izao, fa rehefa grevy ihany no mitombina io.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap