airtel

Actualités

25-mai-2023

Actualités

Polisy nikasi-tanana olona tao sambava

Sample post image

Niaiky ny tompon’andraikitra fa nihoa-pefy izy ireo

25-mai-2023

Niaiky ireo tompon’andraikitra sy manampahefana ao Sambava omaly fa tena nihoa-pefy tokoa ireo polisy nikasi-tanana olona tany an-toerana ny Alahady lasa teo. Raha tsiahivina kely dia lehilahy vitsivitsy no naratra vokatr’izany ka mbola manaraka fitsaboana ankehitriny. Polisin’ny FIP izy ireo hoy ny vaovao izay nandamina korontana tao amina toeram-pisotroana iray. Nisy ny tsy fahafehezana herin-tsandry vokatr’izany raha somary efa niakatra rahateo ny maripana nateraky ny fisotrosotroana. Nisy tamin’ireo polisy koa no naratra noho izany. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika izay tena antony nahatonga ity fifamonoana tao anaty bara ity. Somary mifamahofaho be rahateo ny vaovao mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo naratra nandritra ny fifamonoana
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap