eto amin'ny Firenena indray ny Pr Joseph. Ny resaka fiantsiana ady no nitondrany fanazavana tamin'ity indray mitoraka ity. Hoy ny tenin ' Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin ' ny Ohabolana 3 : 30 manao hoe : Aza miady amin ' olona foana, raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. Araka io tenin ' Andriamanitra io, hoy izy dia tokony samy handinika isika eto anivon ' ity firenena misy antsika ity. Raha tsiahivina mantsy, dia nisy ny teny tsy voahevitra nataon ' olona ambony izay sady manamboninahitra eto amin'ny Firenena hoy izy izay tsy vao indray mandeha na in - droa ianao no nanao teny maharary, fa efa im - betsaka, ka samy niantefan ' izany avokoa na ny vahoaka izay efa trotraky ny fiainana noho ny fitiavan - tena sy ny fampahoriana ataonareo mpitondra azy. Sahy ianareo no niteny hoy izy fa "Tsy misy vahoaka maharesy manam - basy izany" , kanefa mba diniho ihany ireny zava - doza izay nitranga tany Népal ireny, fa manamarina ilay tenin ' Andriamanitra izay voasoratra ao amin 'ny (Salamo, 33; 16) manao hoe : Tsy misy mpanjaka voavonjin 'ny hamaroan 'ny miaramilany ; ny olo - mahery tsy voavonjin 'ny haben 'ny heriny. Tsy vitan ' izany fa eo koa ny eo anivon 'ny fanoherana izay miezaka mijoro noho ny fanjakan 'ny tsy fahamarinana izay manjaka eto Madagasikara kanefa hiharan 'ny teny maharary hataonareo, izay nihafara tamin 'ny hery famoretana sy ny vono ary ny fampidirana am - ponja mihitsy izany. Vao tamin 'ny 11 Septambra lasa teo hianareo no niantso ny manam-boninahitra tsy hanankorontana, izay midika ve fa hoe : aoka tsy hisy hanelingelina ny fiadananay mpitondra sy ny fitiavam - bolanay hianareo ? Raha izay mantsy, dia mieritrereta ary mandiniha tena ianareo fitondrana ankehitriny, fa marina amin 'ny teniny Andriamanitra, araka izay voasoratra ao amin 'ny (Isaia, 3 ; 13 - 15) manao hoe : Jehovah mitsangana handahatra ka miatrika hitsara ny firenena. Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben 'ny olony amin 'ny fitsarana hoe : Hianareo no efa nandevona ny tanim - boaloboka ; ary ao an - tranonareo ny fananan 'ny malahelo izay efa nalaina an - keriny. Ahoana ny hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, ary torotoroinareo ny tavan 'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon 'ny maro.
Pati
Légende : Ny Pr Joseph mpanaraka akaiky ny raharaham-pirenena !