airtel

Actualités

29-déc-2023

QC Star nilaza fa mampiasa “robot”

Fahasahiana tsy roa aman-tany

Sample post image

Anaty fahantrana lalina tokoa angamba isika malagasy ka dia marolafy ny endrika ny endrika

29-déc-2023

fanararaotana sy fanambakana zary mahazo laka miresaka fampidiram-bola tsy nisasarana. Nanaitra ihany ny fahasahiana tsy roa aman-tany hita tamin’ilay vovonana mpisehatra amin’itony milaza azy ho ivom-pamokaram-bola toy ny QC Star itony, izay nilaza fa mampiasa “robot” na olom-by. Nisy nino tokoa moa ilay izy ary nahavita nandrotsaka ilay petra-bola 25 Dolara fara-faha keliny tao anatin’izany rehetra izany. Nambaran’ilay vovonana fa in-dray isan-taona izany vola izany no aloha nefa ilay izy aza ity nisy tsy naharitra 1 volana akory dia nijoboka, veloma lava, hoy ny fomba fiteny izay. Rehefa feno 5 Dolara ao anatin’ny herinandro, hoy ilay fanazavana, ny ao anatin’ilay tahiry dia azo esorina ary manetsika “robot” iray indray fa tsy voatery mampiditra olona. Eto Madagasikara angamba na dia atao firenena farany mahantra dia heverina fa ny olona manana 25 Dolara fara-fahakeliny foy hanaovana fitadiavam-bola tsy hisasarana tahaka itony dia mba isan’ireo manana fahafahana hikirakira tekinolojia sy aterineto ihany. Tsy voatery handalina be fa na mijery kely ao amin’ny tambazotra “Google” fotsiny aza hoe ahoana, ohatra, ny fomba fiasan’izany Bitcoin na rehefa antsoina hoe “cryptomonnaie”, izany hoe fikirakirana vola dizitaly izany dia efa tokony hahita fa fitaka bevava toy ny teo alohany rehetra, tahaka an-dry Antares sy ny tariny, indray ity manaraka ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap