airtel

Actualités

03-mai-2023

Actualités

Raharaha Raissa Niala bala ny lehiben’ny fonja

Sample post image

Manoloana ireo horonampeo miparitaka dia nitondra fanazavana ny lehiben’ny fonjan’Antanimora. Tsy mbola izaho, hoy izy, no tomponandraikitra tato tamin’ireny zavatra mivoaka ireny.

03-mai-2023

Manara-maso ny voafonja rehetra izahay ary mbola manamafy fa tsy azo atao ny mitondra na mampiditra telefaonina ato anatin’ny fonja. Efa nisy fisavana nataonay ary hatreto dia miezaka manao izay asa tandrify anay izahay. Voararan’ny lalàna ny mampiasa telefaonina ety amin’ny fonja ka tsy handefitra izahay raha mbola misy minia manao Izany, hoy hatrany ny tenany. Raha hiverenana ny zava-nisy, nisy olona mitonona ho nirahin’ny sekretera jeneralin’ny minisitry ny fitsarana tonga teny amin’i Raissa ny 19 febroary 2023. Ireo olona ireo dia nanana fikasana hampandainga an’i Raissa hoe "Fanirisoa Ernaivo no nampanao an’iny horonam-peony sy sefo Tata niparitaka iny", raha ny heno tao anatin’ilay horonampeo niparitaka taty aoriana. Ny tambiny dia fanajanona ny dosie fanenjehana an’i Raissa sy ny vadiny. Azo feo ireo olona ireo ary nivoaka teo amin’ny tambazotran-tserasera indray izany, raha ny fampahatsiahivana sy fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap