airtel

Actualités

19-févr-2024

Raharaha tany Ambondrona Nosy Be

Manitrikitrika ny andaniny fa mpandresy ara-pitsarana

Sample post image

Nitondra fanazavàna sy setriny mikasika ny fifanolanana misy eo

19-févr-2024

amin-dRamatoa Fatima sy ny ankilany Ramatoa Marie Jeanne, mikasika ny tany izay ao Ambondrona, Fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville ampahany amin'ny velaran-tany mitondra ny anarana "Yssabhay", titra faha 1519-BO ny andaniny. Nangatahan-dRamatoa Fatima araka ny fepetra voatondron'ny lalàna manan-kery ary azony tamin'ny taona 2015.Tsy nisy afinafina fa nandalo tamin'ny ambaratongam-pitsaràna rehetra izany, ary nanao fanohanana ny ankilany kanefa tsy nahazo rariny hatrany, eny fa hatramin'ny ny PIL, hoy ny fanazavana. « Niainga tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, nandalo fampiakarana, tany amin’ny Fitsarana mpandrava didy, hatrany amin’ny PIL avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana dia nandresy foana ! 1Ha 300A misy ambiny kely ilay tany, fa 3700m2 no nangatahin’i Madame Fatima », hoy Atoa Charles zanany. Tany fambolena no nambaran’ireto farany fa nangatahana, izay tany namboleny, ary milaza ity zanany ity fa efa hatrany amin’ny taona 1963-1964 no nanajary izany ity Rtoa Fatima reniny ity, hoy izy. Manitritrikitrika moa ireto farany fa tsy mitombina ny fanaratsiana fa noho ny fomba hafahafa no nivoahan'ilay Fizakan-tany fotoana ela. Ny didy manome « prescription acquisitive » lasa didy raikitra dia manery ny ankilany hitondra ny dika mitovin'ny boky fizakana fananan-tany any amin'ny Mpikajy ny fananan-tany, kanefa fanoherana no nasetrinin'ny ankilany izay nety ho melohin'ny lalàna velona, hoy izy ireo, izay manitrikitrika fa didim-pitsarana no namoaka ny « prescription acquisitive » ary tany tan-dalana isika. Tsy vitan'izany, hoy hatrany ireto andaniny ireto, fa mbola niezaka nivarotra manontolo ny tany izy na dia teo aza ny didy raikitra efa manan-kery navoakan'ny fitsaràna. Ny mpividy moa dia orinasa iray izay vao niforonina ary natsangana mba hividy ny tany manontolo. Nanao fitoriana noho izany Rtoa Fatima mba hanoherana izany, hoy ny fanazavana. Ny fisarahan'ny fahefana mpanatanteraka sy fahefana manome fizakan-tenan'ny fitsaràna no azo ieretreretana fa tsy afaka nanao na inona na inona ny Mpikajy ny fananan-tany na dia teo aza ny fitsabahan'ny fahefana mpanatanteraka in-telo miantoana, hoy hatrany ny andaniny. Andrasana ny fivoaran’ity raharaha avo lenta ity satria ny ankilany dia manitrikitrika fa misy tsy ara-dalàna na «vice de procédure» tao anatin’ny raharaha fizakan-tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap