Randriantsoa Jimmy. Olom-boafidy tahaka ahy Rasazy Narindra, voafidy tany amin’ny kaominina Mangataboahangy hoy izy ary na inona na inona lazaina dia vokatry ny tsy fandriampahalemana ireny, tranga izay tsy tokony hisy mihitsy. Ny fanjakana no tokony hiaro ny olom-boafidy raha ny nambarany. Tsy rariny raha Ben’ny tanana mandray ny andraikiny tahaka ireny hoy izy no hofongorona tahaka ireny ny ainy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hiaro ny ain’ny olom-boafidy araka izany ity Ben’ny tananan’Alasora ity. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny depiote sy ny mpanolon-tsaina. Izy ireny mantsy no mahita sy miara-mihosona amin’ny vahoaka eny ifotony ka mila fiarovana raha tiana handroso ny tanana. Mikasika ireo olona traboina vokatry ny fiakaran’ny rano tao Alasora moa dia fantatra fa tena niavaka ny fepetra noraisin’ny Kaominin’Alasora. Nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa nanaovana fidinana ifotony ireo toerana dibo-drano ka nahitana foto-drafitrasa toy ny tamboho na tata-drano tsy misokatra ohatra. Nitadiavam-bahaolana avy hatrany izay rehetra hita fa nibahana ny fivoahan’ny rano hoy ny fanazavany namoahana haingana izany tao an-tokantranon’ireo traboina.
Pati
Legende : Mila fiarovana ny olom-boafidy hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.
Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana
Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay
Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny